Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo Antaninandro ny lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 22 taona eo, noho ny resaka famakiana trano. Nanantanteraka ny asa fisafoana toy ny mahazatra ny polisin’ny boriborintany fahatelo teny amin’ny faritra Avaratr’ Antanimora iny, ny marainan’ny zoma teo tokony ho tamin’ny 3 ora. Nahatsikaritra lehilahy iray mampihahiahy ny fihetsiny no sady mitondra gony ny mpitandro filaminana. Rehefa nahatazana ny polisy ity lehilahy ity dia saika hitsoaka avy hatrany saingy voasambotra izy. Rehefa nosavaina ilay gony dia nahitana baramina, vilany miisa enina, gitara iray, bisikiletan’ankizy, ary kiraro maromaro. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy izy natao fanadihadiana. Tamin’izany no nilazany fa avy nangalariny tamin’ny trano iray ireo entana ireo, saingy tsy nolazainy ny toerana misy ilay trano.
Mampitaraina. Mampitaraina ny faritra maro eto an-drenivohitra ny vaky trano amin’ny alina, amin’izao fotoanan’ny orana izao sy ny fahatapahan-jiro matetika. Isaky ny fokontany dia ahenoana vaky trano na fikasana hamaky trano isan’alina. Ramatoa iray mipetraka eny Anjanahary no mitantara fa mpangalatra iray no efa tafakatra teo amin’ny lavarangana tao amin’izy ireo, ny herinandro teo, kanefa vao tamin’ny 9 ora alina. « Naheno nidoboka izahay, ary nitsikilo avy any ambony. Io lehilahy iray no mijokojoko eo an-davarangana amin’ny rihana voalohany. Niantso vonjy avy hatrany izahay ka iny izy nitsambikina avy eny ambony eny nitsoaka. Tsy nisy zavatra azony tamin’izany », hoy izy nitantara. Toy izany koa teny Avaradoha, ny herinandro lasa teo, tafahanika ny fefy vy ireo jiolahy ka ny fianjeran’ny angady iray no nanaitra ny tompontrano tamin’ny 2 ora maraina. Nitsoaka moa ireo olon-dratsy raha vao taitra ny olona. Toe-javatra miseho hatrany ny karazan’asa ratsy toy izany eto an-drenivohitra, ankoatra ny fanendahana. Rehefa tojo ireo polisy manao fisafoana dia tratra ireo jiolahy. Tsy ho araky ny mpitandro filaminana isaky ny elakelantrano, saingy izany no tadiavin’ny olona amin’izao tsy fandriam-pahalemana izao.
Yv Sam