- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAvaratsena Sahalemaka : Ankizy kely iray voatifitra, trano enina voadoro,  nandritra ny « opération »...

Avaratsena Sahalemaka : Ankizy kely iray voatifitra, trano enina voadoro,  nandritra ny « opération » nataon’ny miaramila

Tsy nifandrenesana ny feom-basy tao an-tanàna. Tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany ho any, ny marain’ny alatsinainy teo, no tonga nanadio ny tanàna iray antsoina hoe Mahavanina, ao amin’ny kaominina Avaratsena Sahalemaka, distrikan’Ambohidratrimo, ireo miaramila am-polony maro. Raha ny angom-baovao azo, ankoatra ny feom-basy « kalach » mahazatra dia naheno feo nidoboka mafy, indimy ihany koa ireo mponina. Afo miredareda moa taorian’izay, nandevona ny sasantsany tamin’ireo trano tao an-tanàna. Fotoana maromaro ihany no niainan’ireto mponina an’izany « afobe » izany ary nilamina taorin’izay. Ny angom-baovao azo hatrany no nahafantarana, taorian’izay fa nisy olona sivily anankiroa naratra mafy voan’ny balan’ireo mpitandro filaminana.  Ny iray renim-pianakaviana 28 taona ary ny iray ankizivavy kely vao 11 taona, iray naratra teo amin’ny tratrany. Izy ireo moa dia samy monina tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony io avokoa. Ankoatra izay, trano manodidina ny enina teo ho eo no kila forehitra tsy nisy noraisina intsony, ary voalaza fa nisy vola tsy hita ihany koa (manodidina ny efatra hetsy ariary teo ho eo). Ireto zaza amam-behivavy naratra ireto moa dia efa samy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

Marihana, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao azo hatrany, fa anisan’ny tanàna iray fantatra fa fieren’ny olon-dratsy ity tanàna ity. Antony izay azo heverina ho anton’izao « fanadiovana » nataon’ny Tafika izao. Saika avy ao an-toerana avokoa mantsy ny fiavian’ireo dahalo rain-dahiny tompon’antoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana sy fakàna an-keriny isan-karazany tamin’ireo distrika manodidina : Anjozorobe, Ambohidratrimo, Ankazobe, tonga hatrany amin’ny faritra Betsiboka sy Alaotra Mangoro ary ny manodidina azy ireo. Ny indro kely fotsiny angaha, ankoatra izay mety ho fanazavana hoentin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Tafika, aorian’izao hetsika manokana izao, dia tsy nisy aloha tamin’io fotoana io, dahalo voasambotra na namoy ny ainy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici