Nandeha ny fanadihadiana ary fantatra omaly fa mpisolovava ilay hita faty tao Ambohiponana, ny alahady lasa teo. Raha tsiahivina dia lohan’olona natao tao anaty sachet mainty no hitan’ny ankizy nilalao teo amoron-drano tamin’io fotoana io. Efa may io loha io ary sarotra ny namantatra azy. Teny amin’ny manodidina an’Andriambelonomby kosa, fokontany eny anivon’Ambositra II no nahitàna ny vatany. Teo amin’ny peratra teny amin’ny ratsan-tanany no namantaran’ny fianakaviany azy avy hatrany. Fantatra ary fa i Maître Haja ilay nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Nanazava ny fianakaviany fa hiasa any Ihosy izy ary niala tao an-tranony ny alin’ny alakamisy teo. Nisy nilaza ny mbola nahita ny zoma. Tsy fantatra intsony kosa izay nitranga taorian’izay mandram-pahita azy efa maty io. Na izany aza dia nanazva ny mpitsabo manam-pahaizana amin’ny fitsirihana razana (légiste) fa tao anatin’ny 24 ora mialohan’ny nahitàna ny razana no heverina namonoana azy.
Ny anton’izany dia mbola tsy maina ny rà hita tamin’ilay loha. Voaporofo koa rehera hita ny vatany fa nodorana io mpisolovava io izay vao nalevina tamin’ny toerana roa samihafa. Habibiana tsy roa aman-tany arak’izany no nihatra taminy. Iza no nahavanon-doza? Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro ny filaminana ary mety hahitàna soritra momba izany ny fifandraisana an-telefaonina tao anatin’ny andro faramparany niainany. Hiasa rahateo no nialàny ny tokantrano ary azo eritreretina ny mety hisy hifandraisan’ny dosie izay nikirakirainy amin’ity heloka bevava izay nihatra taminy ity. Betsaka ny manara-maso ny fivoaran’ny raharaha ary ny Holafitry ny mpisolovava koa dia azo inoana fa hijery akaiky ity tranga nanjo ny mpiray asa aminy ity .
D.R