- Publicité -
mardi, février 17, 2026
AccueilFaits-DiversFambolen-kazon’ny FIOVA : Azo tsapain-tainana ny vokatra

Fambolen-kazon’ny FIOVA : Azo tsapain-tainana ny vokatra

An-taona maro no efa namboly hazo ny FIOVA, azo tsapain-tanana ny vokatra satria maro amin’ireo hazo novelena no efa mijoalahoala ankehitriny. Ny fikirakirana no tena zava-dehibe, isan-taona saika misy hatrany ny teknika vaovao entina hikojakojana ny hazo.

Tontosa ny Sabotsy 14 Febroary 2026 lasa teo ny fambolen-kazon’ny FIOVA “ Fikamban’ny Orinasa eto Vakinankaratra. Meherin’ny 400 ireo mpandray anjara, niara nifandrimbona nananteraka izany. Ny fikojakojana no tena zava-dehibe hoy Atoa Ramarojaona Andrianjafy filohan’ny FIOVA, izany no natao voalohany, fanapahana ireo rantsany, fanesorana ny bozaka sy ny lobolobo, izay vao niroso tamin’ny fambolen-kazo, efa vita mialoha rahateo ny lavaka sy ny fanesorana, izay  niarahana niasa tamin’ireo mpiara miombon’antoka.

Zana-kazo maherin’ny 2500 fototra no novelena, misy ampahany tamin’ireo zana-kazo ireo no nozaraina tamin’ny mpikambana , amporisihana ireo mpikambana mba hanao fambolen-kazo any amin’ny tokotranony hoy ny filohan’ny FIOVA. Notsindriny hatrany ny fikojakojana tokony hatao satria ity no tena miantoka ny fitombon’ny  hazo ho tonga ala any ariany any.

Ankoatra izay, misy ny lavaka natao hanamboarana zezika (composte) amin’ny alalan’ireo bozaka sy ratsankazo notapahana hiantohana ny fanatsana ny kalitaon’ny tany. Nisy ihany koa ny fambolena “Mucuna” ity zava-miniry ity izay manatsara ny ny tany, tsy ilaina asaina intsony tany anirin’ity zava maniry ity. Fantatra mantsy fa misy ny fiaraha miasa amin’ny kaominina mahakasika ny fambolena vao maina eto amin’ny tany, izany no hatao mba afahan’ny tokantrano vitsivitsy misitraka vokatra ary indrindra mandray anjara feno amin’ny fanaraha-maso ny tany sy fiarovana ny tontolo iainana hiadiana amin’ny doro-tanety.

Mihatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny FIOVA sy ny kaominina Vinaninkarena hoy ny ben’ny tanana, ny kaominina no niantoka ny fanasana ny tany anaty hazo, hiarovana amin’ny doro-tanety, amporisihina ny fokonolona hamboly eo amin’io toerana io izay tanin’ny kaominina fa ny FIOVA no miantoka ny fambolena hazo eo. Fambolena vaonjobory, tsaramaso na voanjo izay hita fa mety mifanaraka amin’ny toe-tany no azo atao.

Amin’ny ankapobeny, azo hambara ho voafehy ihany ny doro-tanety ao amin’ny kaominina Vinaninkarena, na izany aza, tsy hilaozan’ny adala ny toerana ka misy ihany ireo fanetry ben’ny firenena manao izany.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter