- Publicité -
jeudi, octobre 2, 2025
AccueilFaits-DiversBabà sy Clémence : Nahemotra ny fitsaràna, afaka maneho hevitra amin’izay

Babà sy Clémence : Nahemotra ny fitsaràna, afaka maneho hevitra amin’izay

Nosamborina ny 19 septambra lasa teo ary notsaraina ady maika. Samy napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsaràna izy roa, Clémence Raharinirina sy Alban Rakotoarisoa dit Babà. Omaly ny voatondro hotsaraina ireto niandohan’ny tolona ireto. Nanapa-kevitra anefa ny fitsaràna ady heloka tsotra eo anivon’ny fitsaràna ambaratonga voalohany ny hanemorana an’izany amin’ny 11 novambra hoavy izao. Tsy ny azy ireo ihany fa izay raharaham-pitsaràna rehetra tokony nandeha omaly no voakasik’izay. Raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna dia tapitra hatreo koa ny fanaraha-mason’ny fitsaràna. Izany hoe tsy mila mivezivezy manamarin-tena eny Anosy na eny amin’ny mpitandro ny filaminana, afaka mivoaka faritany ary indrindra koa afaka maneho hevitra amin’izany na amin’ny haino aman-jery na amin’ny tambajotra sosialy. Handrasan’ny maro arak’izany ny momba izay ary mety azo heverina ny mety ho mpitari-tolona tampoka izy mianadahy izay tsiahivina ihany fa nahatonga ny hetsika saingy tsy afaka nitarika noho io fanapahan-kevitry ny fitsaràna izay nihantona teo amin’ny tenda io. Raha hiverenana kelu dia nandeha nanatitra taratasy ao amin’ny prefektiora izy mianadahy no nisy nisambotra tampoka, mpitandro ny filaminana manao sivily ary mandeha fiara tsy misy marika mpitandro ny filaminana. Izy dahy dia nahazo lanja tanteraka teo anivon’ny vahoaka leo ary tena andrandrain’ny maro ny filan-tsahany an-tsehatra. Omaly ihany i Babà dia efa hita teny an-kianja ary niara-dia tamin’ny mpitolona. Nandohalika izy ary niangavy ny mpitandro ny filaminana mba hampitsahatra amin’izay ny herisetra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici