- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversBabà sy Clémence : Nitory fa naratra nandritry ny fitazomana

Babà sy Clémence : Nitory fa naratra nandritry ny fitazomana

Ny zoma lasa teo no nosamborina izy roa ary ny androtr’iny ihany dia nentina fitsaràna. Tao anatin’izany dia nilaza izy ireo fa nisy ny herisetra izay niniana natao tamin’izy roa ary niteraka faharatràna izany. Omaly ary, niaraka tamin’ny taratasin’ny mpitsabo izay nanamarina ny ratra vokatry ny daroka, dia nametraka fitoriana teo anivon’ny fampanoavana etsy Anosy i Clémence Raharinirina sy Faniry Alban Rakotoarisoa dit Babà. Feno mangana ny vatan’i Clémence ary teo amin’ny lohany sy ny takibany kosa ny an’i Babà no naratra raha araka ny fanazavana azo. Na dia samy arahin’ny fitsaràna maso aza izy roa mandram-pahatongàn’ny fotoam-pitsaràna azy ireo, omaly kosa dia mba anjaran’ireto mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo ireo indray no nitory. Mety hisy tohiny ve izany? Anisan’ny arahin’ny olona akaiky koa ity raharaha ity ankoatr’izay mety hitranga ny 25 septambra izay mbola izy ireo ihany koa no manainga ny vahoaka leo delestazy mba ho tonga eny Ambohijatovo. Mitodika tanteraka any amin’izy mianadahy ankehitriny ny mason’ny mpanara-baovao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici