Maty sa velona i Babiche ? Tsy lohatenina horonantsary vaovao akory fa fisavorovoron-tsainan’ny mpankafy. Hatreto tokoa mantsy dia misavoritaka be ihany ny zava-nisy. Satria, raha nolazaina fa namoy ny ainy ny zoma teo, ity mpilalao horontsary malagasy ity, Babiche Minouchette, araka ny filazan’ny zanany ary naparitaky ny mpamokatra horontsary niasàny, Avoko Production. Ity farany indray no nanao ranty, ny sabotsy teo, nandiso ny vaovao fa mbola eo am-pitsaboana azy izy ireo ary nanamafy fa « tsy maty velively i Babiche actrice ». Nanamafy moa ity farany fa « naheno sy nahita ny publication tahaka ny olona rehetra izahay. Dia nanadihady sy nitady ny zavamisy marina, koa ho hita eo ny tohiny (…)Ary efa ankininay amin’ny tompon’andraikim-panjakana police BC Anosy [ny raharaha] ». Marihana moa fa ny zoma lasa teo ihany dia efa niparitaka eraky ny tambazotra sosialy, tamin’ny alalan’ny compten’ity mpilalao horontsary ity, izay voalaza fa noraisin’ny zanany lahy, ny « fairepart », fampandrenesana ny fahafatesany. Andrasana araka izany mety ho tohiny.
m.L