- Publicité -
mercredi, juin 11, 2025
AccueilFaits-DiversBakalorea eto Toamasina : 12 taona ny zandriny, 57 taona ny zokiny...

Bakalorea eto Toamasina : 12 taona ny zandriny, 57 taona ny zokiny indrindra

Hatao ny alatsinainy 19 oktobra hatramin’ny 22 oktobra izao ny bakalorea sokajy ankapobeny eto Toamasina, miaraka amin’ireo oniversite manerana ny nosy. Hatao ny 26 hatramin’ny 30 oktobra kosa ny tohin’ny baka teknina manerana ny nosy. Miisa 23. 976 ireo mpiatrika ny baka 2020 eto Toamasina, izay nahitana fidinana manodidina  ny 2.000 tamin’ity taona ity, ka mitsinjara toy izao isaky ny sokajy. Sokajy A1 miisa 1.209 – sokajy A2 miisa 15.442 – sokajy C miisa 372 – ary sokajy D miisa 5.541. 12 taona ny zandriny indrindra, sokajy D, avy ao Maroantsetra, raha 57 taona no zokony indrindra, sokajy C, avy ao Soanierana Ivongo. Misy mpiadina miisa 1.417 kosa ny mpiadina ara-teknika eto Toamasina. Misy foibem-panadinana 90 eto Toamasina, mizara amin’ireo faritra telo misy, ka miisa 08 ny eo amin’ny mpiadina teknika raha miisa 72 ny ao amin’ny sokajy ankapobeny. Nambaran’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Atoa Zafitody Conscient, fa nampitomboina ny isan’ny foibem-panadinana noho olana ara-pahasalamana amin’ny fisian’ny Covid-19, satria noraisina ny fepetra fa mpiadina iray isaky ny latabatra ihany. Noraisina koa ny fepetra fa tsy maintsy manao arotava ny mpiadina, ka ny oniversite no mizara izay eo am-pidirana ny foibem-panadinana. Tsy maintsy manasa tanana sy mampiasa ny « gel hydroalcoolique » ny mpiadina tsirairay avy, koa ilaina ny fahatongavan’ny mpiadina ora 02 alohan’ny fanombohan’ny adina, izay efa voazara eny amin’ny foibem-panadinana avokoa ankehitriny. Efa miara-miasa amin’ny kaominina amin’ny fandraharahana fanafody ireo toeram-panadinana ny oniversite izao. Ankilan’izay dia noraisina ihany koa ny fepetra fa mahavoasazy ka mahavoaroaka avy hatrany ao amin’ny ivontoeram-panadinana ny fifampiserasana sy ny hala-tahaka ary ny fampiasana finday. Ireo mpianatra tsy maintsy mampiasa saron-doha kosa, noho ny finoany, dia tsy azo tampenana amin’izany ny sofina, tsy azo atao koa ny fampiasana ny penina mena. Tsy maintsy mitondra ny kopia nahaterahana latsaky ny telo volana ho fisorohana ireo mpisolo toerana, miaraka amin’ny taratasy fiantsoana, ny mpiadina miatrika ny fanadinana. Ankoatra izay dia noraisina ihany koa ny famoahana ny vokatra vaovao amin’ity taona ity, ka adiny roa aorian’ny « déliberation » dia efa mivoaka anatin’ny tranonkalan’ny oniversite « bacc.univ-toamasina.mg » ny valim-panadinana, ary ny ampitson’izay vao mivoaka eny amin’ny petadrindrina ny valiny azon’ny be sy ny maro jerena. Homena 90 andro ny mpiadina afaka rehetra hakany ny dipaomany eny amin’ny oniversiten’i Toamasina, ka aorian’izay dia miakatra ny saran’izany. 02 herinandro aorian’ny fivoahan’ny valim-panadinana no hakana izany eny amin’ny oniversite, ka 24 ora aorian’ny fametrahana ny fangatahana no hahazoana ny diplaoma amin’izany, hoy Atoa Zafitody Conscient.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici