Ny zoma tolakandro teo no nanao ny adivarotry ny naoty nahafahana fanadinana bakalorea fihodinana faharoa, ireo mpampianatra mpitsara sy ireo teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina notarihan’ny filohany. Naharitra 30min teo ny adivarotra teo amin’ny roa tonta ka ny farany dia ny 09,75/20 no marimaritra niraisana ka nahatonga ny taham-pahafahana ho 17,61%. Raha ny 10/20 mantsy no noraisina dia tsy nisy afa-tsy 13,17% ny taham-pahafahana teto Toamasina. Nisy 2.796 tamin’ireo 15.874 niatrika ny fihodinana faharoan’ ny bakaloreo no afaka tamin’izany; ka toy izao izany isaky ny sokajy. Sokajy A1 149, ny sokajy A2 1.905, ny sokajy D 684, ary ny sojaky C 88. Raha atambatra ny fihodinana voalohany sy ny faharoa tamin’izao fanadinana bakalorea 2019 izao ho an’i Toamasina dia manome ny salan’isa 44,89% izany hoe ny 11.261 tamin’ny mpiadina 25.087 no afaka. Raha atao isaky ny sokajy dia ny sokajy A1 624, ny sokajy A2 7.508, ny sokajy D 2.900, ary ny sokajy C 229. Ankoatra izany dia nanamarika ny oniversiten’i Toamasina, fa miha-vitsy ny mpianatra manao sokajy siantifika eto amintsika, nefa ny siansa sy ny olona siantifika no afaka tena hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena iray.
Malala Didier