Nivoaka ny alatsinainy alina teo ny valim-panadinana bakalorea ho an’i Toamasina, ka niakatra izany raha ny taham-panadinana no jerena. Tao amin’ny CEG Ratsimilaho no nanaovana izany, natrehin’ny filohan’ny oniversite Dr Razakolona Diny. Raha ny fanazavana nataon’ny filohan’ny oniversite dia 62,05% ny fampianarana ankapobeny, ary 67,98% ny fampianarana teknika ny taham-pahafahana, ka raha atambatra izany dia nahatratra 62,35% no afaka bakalorea ho an’i Toamasina. Nilamina tamin’ny ankapobeny ny bakalorea ho an’i Toamasina, na sarotra aza ny fanangonana ny taratasim-panadinana tamin’ireo distrika maro ho an’i Toamasina, tahaka ny tao Maroantsetra, Ste Marie, Marolambo ary Antanambao Manampontsy. Noho ireo antony ireo dia nihemotra tamin’ny fe-potoana napetraka ny fivoahan’ny valim-panadinana, hoy ny filohan’ny oniversite, Dr Razanakolona Diny. Nomarihiny fa efa vonona ny vola natokana ho an’ireo mpampianatra mpitsara fanadinana na ny “vacations”, fa miakina amin’ny fitsinjarana azy no sisa hatrehina tsy ho ela. Ankoatra izany dia ny alatsinainy alina ihany dia nipetraka tamin’ny petadrindrina tamin’ireo fari-piadidian’ny fanadinana sy ny DREN ary ny biraon’ny distrika ny lisitra ho an’ireo afaka fanadinana, nefa azo jerena koa izany amin’ny site-n’ny oniversite “bacc.univ-toamasina.mg”.
Malala Didier