Noho ny fahaverezan’ny bala teo anivon’ny toeram-pitazomana fitaovam-piadiana tao amin’ny toby miaramila iray eto an-drenivohitra no antony nisamborana ireto miaramila roalahy izay niasa ny andron’io. Raha ny fantatra dia bala enina no very tao amin’ilay toerana. Nisy ny fanadihadiana nosokafana mahakasika an’izany ary mazava ho azy fa tsy maintsy izay miaramila niantoka ny fiambenana tamin’io fotoana io no niantefan’ny rihitra. Ny iray no voasambotra voalohany ary ilay faharoa kosa mbola nifampitadiavana. Ny niafarany dia samy nidoboka tetsy Antanimora izy roalahy. Rehefa nitohy anefa ny fanadihadiana dia tsy ampy ny porofo nitazomana ilay iray. Navotsotra izy, roapolo andro taty aorian’ny fidirany am-ponja. Raha ny vaovao azonay tamin’ny loharanom-baovao eo anivon’ny tafika dia efa afaka miverina miasa ara-dalàna ao amin’ny toby misy azy io miaramila io. Raha oharina amin’ny toe-javatra toy izao dia mazava fa misy ampahany mivoaka eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ihany ny fitaovam-piadiana miparitaka eto amintsika. Eo ihany koa anefa ireo izay hafarana mihitsy ary hamidy. Toa izay sarona tao Toamasina ary saika halefa any Betroka ka naha-voarohirohy manam-boninahitra iray efa retirety. Vaovao avokoa ny mpitondra eo anivon’ny fiarovana sy ny tafika.
D.R