- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBala very tany Ambositra : Zandary iray notazomina, noafahana ireo 24 ambiny...

Bala very tany Ambositra : Zandary iray notazomina, noafahana ireo 24 ambiny voarohirohy

Dimy ambin’ny roapolo no isan’ireo olona voarohirohy tamin’ilay raharaha nahaverezana bala an’arivony tao amin’ny sekolin’ny zandarmariam-pirenana tao Ambositra, volana vitsivitsy lasa izay. Ny dimy amin’ireo dia zandary fa ny sisa ambiny dia saika sivily avokoa. Tamin’iny herinandro iny no niakatra fitsaràna ny raharaha. Araka ny fantatra dia noafahana ireo olona 24, anisan’izany ny zandary efatra tamin’izy ireo, saingy notazomina ary mbola migadra kosa ny zandary iray. Mpitandro filaminana izay marihana fa tompon’andriakitry ny magazay fitoeran’ireo fitaovam-piadiana ireo. Tsiahivina fa ny volana febroary teo no niatomboka ity raharaha ity, raha nahatratra vehivavy nivarotra bala an-jatony maro ny zandary tao Ambositra. Rehefa nosamborina ity farany dia nilaza fa zandary iray tompon’andraikitry ny famoahana entana ao amin’ny sekolin’ny zandary no nanome azy ireto fitaovam-piadiana ireto. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ny mpitandro filaminana, ary mbola nahatratrana fitaovam-piadiana hafa tao an-tranon’ity farany. Nitohitohy hatrany ny fisamborana teo ka niafara tamina olona nahatratra 19 izany, izay natolotra ny teo anivon’ny Fampanoavana ny vola martsa lasa teo, ary nadoboka am-ponja avy hatrany. Tafakatra 25 ny isan’ireo voarohirohy taty aoriana  ary izao niatrika ny fitsaràna azy izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici