- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBambins Actifs nankalaza ny Noely

Bambins Actifs nankalaza ny Noely

ECOLE2Ny sabotsy lasa teo no nankalaza ny Noely ny mpianatra ao amin’ny sekoly « Les Bambins actifs » eny Talata Volonondry. Hira mifantoka tanterak tamin’ny nahaterahan’ny Mesia avokoa moa no noventesina tamin’io andro io. Nanombohana izany dia niaraka niredona ireo ray aman-drenin’ny sy mpianatra rehetra. Rehefa izany dia nifandimby nanao ny tsianjery nianarany ireo ankizy. Ny kely indrindra no nanomboka ka na dia tamin’ny feo nibadabada azy dia nahaliana ny rehetra. Avy eo natao ny hira fiderana sy firariantsoa izay noventesin’ireo mpianatra tamin’ny fiteny anglisy, fiteny frantsay ary nofaranana tamin’ny fiteny malagasy. Feno fankasitrahana an’ireo ankizy sy ny mpanabe ireo ray aman-dreny nanatrika ity fetin’ny Noely ity. Nofaranana tamin’ny fizarana vatomamy ny fotoana. Tamin’io andro io ihany koa no natolotra ny mpianatra ny « bulletin » nisy ny vokatry ny fanadinana telo volana voalohany.

Nanamarika ny tompon’andrikitry ny sekoly Rantoandromanana Elisabethe fa  manaraka ny progamana ofisialy ny fampianarana omena, amin’ny teny frantsay sy teny malagasy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici