samedi, avril 26, 2025
AccueilFaits-DiversBANI : Vaky ny fitoeran’ny fitaovam-piadiana

BANI : Vaky ny fitoeran’ny fitaovam-piadiana

Bala  4000 no nanjavona tao. (sary tahiry)
Bala 4000 no nanjavona tao. (sary tahiry)

Ny zoma lasa teo no nisian’ity famakaina ny fitoeran’ny fitaovam-piadiana ity. Tao amin’ny tobin’ny BANI, raha araka ny loharanom-baovao maromaro akaiky ny miaramila, no nitrangan’izany. Bala 4000 isa no nanjavona tao. Fampiasa amin’ny kalachnikov sy amin’ny poleta (9mm) izy ireo raha ny fanampim-panazavana azo. Ny zandary avy etsy Talatamaty, izay tompon’andraikitra amin’ny fitandroana ny filaminana amin’iny faritra iny, niaraka tamin’ireo namany avy etsy amin’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava (séction des recherches criminelles) no nanokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Midika avy hatrany izany fa heloka bevava no nitranga ary mifanandrify amin’izay ihany koa ny sazy mety hihatra amin’ny tompon’andraikitra amin’izany. Na izany aza anefa, dia maro no nametra-panontaniana ny amin’ity fahavakiana toerana  faran’izay sarotra hidirana indrindra ity ,satria anton’ny hisian’ny fiambenana andro aman’alina ny toby miaramila. Namidy ve ireo bala marobe sa misy mikasa zavatra hafahafa kosa indray ao ambadikany ka miainga amin’ny fanangonana fitaovam-piadiana aloha ny tetika? Ny tsikaritra dia namafisina avokoa ny toby miaramila rehetra nanomboka ny asabotsy lasa teo. Ny tetsy Ampahibe aza dia nasiana saina mena mihitsy alohan’ny hidirana ny vavahady, entina hamaritana ny faritra mena izany. Omaly ihany koa dia nandeha ny feo fa nisy tranga mitovy tanteraka tamin’ity tany amin’ny toby iray any Atsinanana. Hotaterina manaraka ny mahakasika an’izany vaovao izany raha voamarina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser