- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBanky Foibe : Tomponandrikitra ambony tratra nagalatra vola tokony hopotehina

Banky Foibe : Tomponandrikitra ambony tratra nagalatra vola tokony hopotehina

bcmLehilahy iray voalaza fa tomponandraikitra ambony ao amin’ny Banky Foibe eny Antaninarenina no voasambotra noho ny resaka halatra vola tao amin’io toerana io. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny vola efa lasany, hoy ny loharanom-baovao avy any amin’ny polisy. Ireo vola alainy ireo dia ireny efa simba ary tokony hopotehina ireny.

Tamin’ny alarobia volaohan’ny volana aprily teo, tamin’ny 11 ora, tonga nametraka fitoriana teny amin’ny “police économique” eny Anosy ny “ directeur des affaires juridiques” ao amin’ny Banky Foibe, mikasika halatra vola tao aminy. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana. Nandeha teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nojerena ny “camera de surveillance” ka tamin’izany no nahitana lehilahy iray nanitrika vola tany anaty akanjony. Fantatra ilay olona, izay tsy hafa fa tomponandrikitra ambony ao amin’io banky io ihany. Izy no manara-maso ireo mpanisa ny vola efa tsy miasa intsony. Ny volana febroary teo, araka ny hita tamin’ny sary ihany, naka fatoram-bola 10 000 ariary mitentina hatrany amin’ny 10 tapitrisa ariary izy. Mbola tao amin’io porofo tsy azony lavina io koa no nahafantarana fa nahavita naka vola rovitra indroa isan’andro ity lehilahy ity. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa nisy mpiara-miasa aminy nahita ny fanitrihany vola tany anaty akanjony. Io farany io no nilaza taminy ny hamerina izany.

Hatramin’izao, tsy mbola fantatra marina ny vola efa lasan’ity mpangalatra ity. Efa manao ny tombana rehetra ny tompon’andrikitry ny banky. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity mpangalatra ity.

“Chèque” hosoka. Nisy raharaha hafa ihany koa tao amin’ny Banky Foibe izay nahazoan’ny sasany vola amina miliara be dia be. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy olona afaka nanao “chèque” hosoka nangalana vola tao. Izany Bebe izany no anarany ary niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana voarohirohy tany Toamasina mahakasika halatra sy fakana ankeriny izy io. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa rehefa voasambotra izy ka nofotorana dia nilaza fa izy no mpanamboatra “chèque” hosoka hangalana vola any amin’io banky io. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa tamin’ny taona 2013 dia efa nahazo vola 1,4 miliara ry zalahy. Taty aoriana, nikasa ny mbola haka 5 miliara ariary izy ireo saingy tratra tamin’izay fotoana izay. Hatramin’izao, olona 24 no efa migadra. Fitoriana napetraky ny ao amin’ny Banky Foibe koa no nahatratrarana an’l Bebe sy ny tariny.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser