Tena fahasahina goavana ny an’ity mpiambina banky iray amin’ny « Boulevard Joffre » eto Toamasina vao nifindra trano tsy ela ny alatsinain’ny pantekosta teo, fa vitany samy irery, na teo aza ireo namany mpiara-miasa taminy niaraka niambina taminy tamin’io fotoana io. Raha ny fanazavana nomen’ny kaomisera misahana ny fanadihadiana araka heloka be vava sy ny zaza tsy ampy taona eto Toamasina izay nisahana ny raharaha dia efa ela no nikotrehan’ity mpiambina 29 taona ity izao fangalarana vola teo anivon’ity banky ity izao, fotoana iray tena nety taminy ny fahanginana nisy nandritra ny alatsinain’ny pantekosta teo ka nohararaotiny. Varavarankely tao aorian’ilay banky izay miafina ao anatin’ity garazy iray ambanin’ny tany no novakiany tamin’ny “barre à pince” izay efa nomaniny. Hain’ity mpiambina ity tsara ny fisian’ireo “cameras” ao amin’ity banky ity ka hainy tsara ihany koa ny nanafina ny endriny rehetra, ka ireo “coffres” tao anatin’ny efitrano fiasan’ireo mpiasa aloha no noezahany novakiana saingy tsy afany, teo no notsirian’ny hevitra hamaky ilay famoaham-bola manokana elektronika, “GAB”, izay tao anatin’ny efitra ihany ny fidirana ao aminy. Maro ny vola nampidirin’ny banky tao anatin’ity fizaram-bola elektronika ity noho ny faran’ny herinandro somary lavalava, ka tsy fantatra mazava ny vola tena lasan’ity mpiambina nivadika ho mpamaky banky sy mpangala-bola ity. Ny angom-baovao no nahalalana fa manodidina ny 60.000.000 ariary ny vola nanjavona nandritra izany. Taorian’ny fitarainan’ny mpiandraikitra ny banky teo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava dia niatomboka ny fanadihadiana ka ireo mpiambina no nanombohana izany. Teo anefa no nambakain’ny peratra tamin’ny tanana, izay tsy voaafina nandritra ny famakiana ity banky, ingahy mpiambina amin’ny sehatra tsy miankina karamain’ny ity banky ity. Raha nosavaina ny tranony dia tratra tao aminy ireo nanafenany ny tarehiny, ny fitaovana namakiany ny banky, ary ny vola ambiny izay mitentina 40.000.000 ariary, ka teo ireo vola nafeniny tao anaty sakosy nisy lamba, teo kosa ireo naleviny niaraka tamina gony tao an-tokotaniny ao Tanambao Verrerie. Tsy afa-nandà ny heloka vitany Ingahy, nefa anjaran’ny fitsarana ny misahana ny fanamelohana na tsia azy, hoy ny teo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava.
Malala Didier