Tsy fitandremana sa efa firaisana tsikombakomba fotsiny izao ? Vehivavy iray no notananan’ny zandary rehefa nentin’ny lehilahy iray sakaizany nitsoaka ny volabe, izay tokony harotsaka any amin’ny banky.
Ny talata lasa teo no nisehoan’ity tranga ity teny Mahitsy. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary tany an-toerana dia tokony hanatitra vola any amina banky iray eo an-toerana ihany ity vehivavy iray. Mitentina eo amin’ny 100 tapitrisa ariary eo ho eo io vola io raha ny vaovao hatrany. Mbola mandeha an-tongotra eo amin’ny 250 metatra eo anefa no misy ilay banky ka niangavy lehilahy iray, izay sakaizany ihany koa, nitondra fiara izy mba hanatitra azy eny amin’ilay banky. Rehefa voafatratra ny sakaosy nisy ilay vola, ary efa samy tao anaty fiara izy roa, no nilaza fa nisy zavatra hadinon’ilay vehivavy tany an-tranony ka nivoaka ny fiara indray izy, niverina naka izany. Tamin’io fotoana io indrindra anefa, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina teo, namelona fiara tampoka ary lasa nitsoaka niaraka tamin’ny vola ilay lehilahy sakaizany, nihazo ny lalana miakatra aty an-drenivohitra. Roapolo minitra taty aoriana vao niantso ny zandary avy ao Ambohidratrimo ity vehivavy very vola ity, ary nanomboka teo ny sakana sy ny fikarohana nataon’ireo mpitandro filaminana. Indrisy anefa fa tsy nisy vokany intsony izany, na dia fantatra aza ny marika sy ny laharan’ilay fiaran’ilay lehilahy nitondra ilay vola nitsoaka. Na izany aza nitohy hatrany ny fikarohana ka omaly tokony ho tamin’ny valo ora maraina teo no fantatra fa hita tetsy « rond point » tetsy Ambohimangakely ilay fiara marika « Citroën Jumper » nentin’ilay lehilahy. Mazava ho azy fa tsy hita tao anatiny intsony, na ilay mpamily nitondra ilay volabe nitsoaka, na ireto farany. Teo anatrehan’izay moa dia ilay vehivavy avy hatrany no nentin’ireo mpitandro filaminana natao andrimaso sy famotorana tany amin’ny biraon’izy ireo. Nogiazana kosa ilay fiara hita teny Ambomangakely. Mbola mitohy araka izany ny fikarohan’ilay olon-dratsy.
m.L