- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversBaomba mandehandeha : Voasava avokoa ny môtô rehetra teo an-drenivohitra

Baomba mandehandeha : Voasava avokoa ny môtô rehetra teo an-drenivohitra

Fa misy inona ? Tsy toy ny mahazatra fa nitombo tampoka tao anatin’ny ora vitsy ireo mpitandro filaminana nanao fisavàna teny amin’ireo lalana rehetra teto an-drenivohitra omaly hariva. Nitohy hatramin’ny alina. Ny mahagaga ny maro anefa dia tsy toy ny mahazatra ireto andiana mpitandro filaminana manao fisavàna ireto. Ny basy an-kelika ihany ary toy ireny mivonona amin’ny trangan-javatra mety hiseho ireny izy ireo. Nampametra-panotaniana ihany koa fa ireo kodiaran-droa ihany no niharan’izany fisavàna izany. Tsy nisy nandingana ireto mpitandro filaminana ireto izay môtô rehetra mandalo, na kely na lehibe ary tsy an-kanavaka na iza na iza. Fisavàna hafa kely ihany koa no notanterahina fa tsy toy ny isan’andro. Ambonin’ireo antontan-taratasy rehetra mantsy dia voajery avokoa izay faritra rehetra mety asiana zavatra, na ny sakaosy entina. Antony nampametra-panontaniana an’ireo mampiasa lalana maro. Raha ny fanazavàna azo avy tamina tompon’andraikitra iray eo anivon’ireo mpitandro filaminana dia hoe tsy maintsy misy ny fepetra raisina rehefa misy vaovao azo ary tafiditra ao anatin’ny asan’ny mpitandro filaminana ny misoroka mialoha ny zavatra mety hitranga. Inona ilay zavatra mety hitranga ? Tsilian-tsofina ary angom-baovao manakaiky ireo mpitandro filaminana no nahafantarana fa toa hoe « ahiana ho misy olona miketrika fanakorontanana sy mitondra baomba mandehandeha, miriaria eto an-drenivohitra. Ary io na ireo olona ireo dia mandeha môtô ». Vinavinaina ho izay araka izany no antony nisavàna manokana ireo mpitondra kodiaran-droa teo amin’ny tanàna. Saingy eritreritry ny maro ihany io fa tsy fantatra hatreto izay tena marina. Andrasana araka izany ny fanazavàna entin’ireo mpitandro filaminana manoloana iny trangan-javatra omaly iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici