- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : Bar nisy namaky, mbola nanam-potoana nisotroina toaka ny jiolahy

ANTSIRABE : Bar nisy namaky, mbola nanam-potoana nisotroina toaka ny jiolahy

Nigalabona tanteraka ny jiolahy namaky bar iray tao Avaratsena Sabotsy ny alin’ny Zoma lasa teo. Mbola nanam-potoana nisotroana toaka tao amin’ilay bar ry zalahy satria dia tavela teo ambony latabatra ny ambina toaka bota roa sy Christaline iray niaraka tamina tsaky tsy lanin’ireo mpamaky trano. Tapitra efa voahangona tao anaty kitapo avokoa ny entam-barotra sy ny zava maneno ary dia nilamina tsara tokoa. Isan’ny nahoron’ireo jiolahy ihany koa ireny “jeton” fampiasa amina “machine a sous” ireny. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina ny tompon’ilay bar no niverina tampoka tao amin’ny trano fivarotany  rehefa avy nitondra ny zanany lahy tany amin’ny hopitaly, raha ny fahitana ny zava-nisy dia nisy naman’ireo mpamaky trano no niandry tety ivelany ka vao nahatazana ny tompon-trano dia nampandre ny tao anatiny ka tafaparotsaka ireo jiolahy saingy tsy nahatondra ireo entana efa tsara pirina tao anaty kitapo gony intsony. Marihina fa toerana tena maresaka ary tsy tapaka olona mivezivezy eny Avaratsena Sabotsy eny na dia alim-be aza, hinoana noho izany fa olona efa mahalala tsara ity toerana ity ireo namaky ny trano ary tsy alavitra fa eo amin’ny manodidina ihany. Ny varavarana ambadika ny fivarotana no nopohirin’ireo jiolahy, tao ry zalahy no niditra, avy eo nosakafany natao mitanila ny varavaram-be saika namoahana ny entana saingy izao nandamoaka izao. Adinon’ireo mpamaky trano hatramin’ny kapany sy ny baraminina nampiasany mihitsy aza satria nikoropaka izy ireo vao nahatazana ny tompon-trano niverina.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici