- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-Divers« Bar » tetsy Isotry : Notafihana tamin’ny poleta misy « silencieux...

« Bar » tetsy Isotry : Notafihana tamin’ny poleta misy « silencieux »

Dimy lahy nirongo basy no nanafika ny toeram-pisotroana sady fivarotana enta-madinika iray tetsy Isotry. Ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina, no nitontona teo amin’ilay toerana izy ireo. Teo am-panomanana ny hanidy tsena mihitisy ny mpivarotra no nidiran’ireo tampoka tao anatiny. Ankoatra ny daroka, dia nitifitra koa izy ireo. Ny tena nahatalanjona, dia tsy nisy feo ny basy. Rehefa natao anefa ny fijerena ifotony, taorian’ny asaratsy, dia nisy bala tokoa. Voaporofo teo fa basy vita gasy no nampiasain’ireo andian-jiolahy. Basy vita gasy kanefa kosa nisy « silencieux », fitaovana izay tsy hahenoana ny feon’ilay fitaovam-piadiana. Lasan’ireo ny vola maty indray andro tao amin’ilay toeram-pivarotana. Mahatalanjona ny zava-nitranga satria dia misy mahavita koa izany io fitaovana tsy handrenesana feom-basy io. Ny basy vita gasy aloha dia efa voaporofo, fa tena efa voafehin’ny sasany ny manao azy. Ny « silencieux » indray izany no zava-baovao. Etsy andanin’izay dia manazava ity tranga ity, fa misy olona tsy mitsahatry ny manao fikarohana koa any ho any amin’ity fanamboarana fitaovam-piadiana ity. Mbola afaka manaporofo izany rahateo ny fahatrarana « chlorate de sodium » tany Atsimo, akora izay entina hanamboarana bala ho an’ny dahalo. Any ivelany ny olona toy izany dia havadika ho mpiasan’ny tafi-bahoaka noho ny fahaiza-manaony ary tsy gadraina velively, satria misy tombontsoa ho an’ny firenena ny fananana azy. Eto amintsika aloha hatreto dia mbola mijanona ho fahavalom-pirenena izy ireo, satria ny jiolahy no iraisany tsikombakomba sy omeny ny fitaovam-piadiana izay vita. Isan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy izany zava-misy izany. Na izany aza anefa, dia mbola betsaka ny basy tena izy miparitaka ary tsy mety hita izay niaviany na koa tsy tontosa hatramin’ny farany ny fanadihadiana noho ny tahotra hifampisambotra. Tsy misy afa-tsy ny olon-tsotra ihany avy eo no mizaka ny vokatr’izany fiparitahan’ny basy noho ireo antony roa ireo izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici