- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversBarikadimy : Ahiana indray ny korontana

Barikadimy : Ahiana indray ny korontana

Nilaza ireo mpianatra fa tsy hiala ao amin’ny campus ao Barikadimy izany. Amin’ny zoma izao anefa ny fe-potoana farany nomena azy ireo mba hahafahany mijanona ao. Hatreto izany dia manahy ny hisian’ny korontana ao an-toerana ny mpanara-baovao. Ny mpitandro ny filaminana mantsy dia efa nampitandrina fa hampihatra ny lalàna ary tsy hitsitsy ho an’ireo izay mandika an’izany. Nilazan ireo mpianatra fa tsy mazava loatra ity fepetra ity. “Efa ny 11 aogoistra teo ny fidirana amin’ny taom-pianarana 2013-2014 ary efa maro koa ireo avy any amorontsiraka no tonga niaraka amin’ny vola ilaina mandritra ny taom-pianarana”, raha araka ny filazan’ny solontenan’ny mpianatra. Nentin’izy ireo hanazavana izany fa tsy afaka hihemotra intsony ny ankamaroan’ireo mpianatra, satria sady avy lavitra no tsy hisy hipetrahana raha toa ka miala ao amin’ny campus. Harahina ny fivoaran’ny raharaha…

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser