- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversBarikadimy : Karohin'ny mpitandro filaminana i "Fer Rond"

Barikadimy : Karohin’ny mpitandro filaminana i « Fer Rond »

Karohina fatratra ao Toamasina i Ernest « Fer Rond », tompon’antoka tamin’ny fitsaram-bahoaka nahafatesana mpianatra tao amin’ny Campus Barikadimy Toamasina. Mampanahy ny mety hisian’ny fifandonana eo amin’ny mpianatra samy mpianatra ao amin’ny Oniversite Barikadimy Toamasina momba ny fahafatesan’ity mpianatra iray avy any Toliara matin’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny faritry ny Campus, ny alarobia lasa teo. Mpianatra iray taona fahefatra amin’ny sampam-piofanana fitantanana, nandalo teo amin’ny toerana iray nisy fotoam-pivavahana sendra ny herinaratra tapaka tampoka. « Maizina ny teo amin’ny manodidina ka nahadona bisikiletan’ireo mpivavaka ity mpianatra ity, ka nianjera ilay bisikileta. Tamin’izay indrindra no nisy niantsoantso hoe mpangalatra bisikileta. Nohamafisin’i Ernest izany antso izany sady naka vy lava izy ka nokapohiny tamin’izany ilay voalaza fa mpangalatra bisikileta, ary nitarika ny fahafatesany », hoy ny fanazavana. Ilay bisikileta tsy very. Maizina teo amin’ny faritry ny campus ka tsy nisy nahasakana an’i Ernest. Maty tsy tra-drano i Fanahia, 26 taona. Rehefa niverina ny jiro vao hita fa mpianatra ity novonoina. Nametraka fitoriana teo anivon’ny fampanoavana fitsarana ambaratonga voalohany ny fianakaviany izay nanondro mivantana an’i Ernest, mpianatra taona fahatelo ao amin’ny sampam-piofanana Filozofia, avy any amin’ny faritra Sofia. Namoaka didy fisamborana ny fampanoavana, ary nikasa hisambotra an’i Ernesr « Fer Rond » ny polisy sy ny zandary ny asabotsy tolakandro teo saingy nandamoka izany, satria tafaporitsaka izy. Voalaza fa tsy vao sambany nahafaty olona ity mpianatra ity fa efa maro ny olona matiny. Izany rahateo no nahatonga ny anaram-bosiny hoe « Fer rond ». Tezitra, araka izany, ny mpianatra ao amin’ny Campus ka ahiana ny mety hisian’ny fifandonan’ireo mpianatra avy any amin’ny faritra, satria mikaroka azy koa ireo.

Yv Sam

 

BAR14Y………………………………………….6 modules

 

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici