- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBarikadimy : Mpampianatry ny oniversite nidaroka mpianatra

Barikadimy : Mpampianatry ny oniversite nidaroka mpianatra

Azo « vidéo » avokoa ny zava-nitranga satria teo imason’ny mpianatra hafa izay tsy nisalasala naka porofo tamin’ny finday. Nosintomin-drangahy tamin’ny vozon’akanjony ilay mpianatra ary nokendainy. Soa ihany fa tovolahy mbola matanjaka ary afaka nanala ny tanany. Mihejan-droa tanteraka ny tady. Andaniny, ny mpianatry ny sampana fitantanana (mention Gestion) ary ankilany ny lehiben’io sampana io eo anivon’ny oniversite Toamasina. Io farany izay takian’ny mpianatra ny fialany ary nanaovan’ireo fanambaràna ampahibemaso. Omaly dia nakaton’ny mpianatra ny biraon’ilay mpampianatra ary tsy vitan’izay fa nilanja sora-baventy izy ireo teo anoloan’ny trano. Hita misoratra teo fa ny kolikoly sy ny tsy fahafehezana asa no anton’ny fangatahan’ny mpianatra nanao fihetsiketsehana. Nisendaotra ilay mpampianatra voakasika raha nahita ny zava-nisy teo ary dia tonga tamin’ny fikasihan-tànana ny nataony. Nitsofan’ireo mpanao fihetsiketsehana kiririoka raha nivoaka tao amin’ny biraony ka hamonjy fiara. Olan’ny naoty no tena nitarika ity tsy fifankahazoana ity. Nambaran’ireo mpianatra fa nisy naman’izy ireo tsy niatrika fanadina akory kanefa isan’ireo nisoratra anaty afisin’ny afaka ny anarany. Tonga tamin’ny fangatahana fampitahàna ny taratasim-panadinana ny raharaha. Tsy nisy valiny anefa izany hatramin’izao ary dia mainka koa nitarika ny hatezeran’ireo mpianatra. Nitarika ny fiheverana izany fa manao kolikoly ilay lehiben’ny sampam-pianarana fitantanana ao Barikadimy. Taorian’ny fikasihan-tànana omaly dia nilaza ireo mpianatra manao fihetsiketsehana fa manome fe-potoana 72 ora hialàn’ny olona voakasika amin’ny toerany. Notanan’izy ireo ho tsiambaratelo kosa ny mety ho tohin’ny hetsika raha toa ka tsy misy fiovana ny toe-draharaha.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici