- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversBarikadimy : Tezitra ny mpianatra, birao roa nodorany

Barikadimy : Tezitra ny mpianatra, birao roa nodorany

Mbola nitora-bato taxi-brousse ihany koa ireo mpianatra (sary tahiry)
Mbola nitora-bato taxi-brousse ihany koa ireo mpianatra (sary tahiry)

Delestazy no nitarika ny hatezerana. Toe-javatra izay tsy ny mpianatra ihany fa ny olon-tsotra rehetra sy ny orinasa maro dia efa mikaikaika noho ny aterak’izany. Saingy tao amin’ny campus Barikadimy dia nirehitra avy hatrany ny afo rehefa tapaka ny jiro nanomboka tamin’ny folo ora maraina, ny talata lasa teo. Tapa-kevitra nanao fihetsiketsehana avy hatrany ireo mpianatra eo anivon’io oniversite io vokatr’izany. Tonga hatramin’ny herisetra izany, raha araka ny vaovao azo. Nodoran’izy ireo, tokony ho tamin’ny fito hariva tany ho any, ny biraon’ny Croua sy ny biraon’ny “médecine préventive”. Tsy izany ihany fa talohan’izay dia mbola nivoaka ny tranony ireo mpianatra, nivoaka ny campus ary namonjy ny lalam-pirenena. Mba hanehoany ny hatezerany dia notorahiny vato ny fiara fitaterana na “taxi-brousse” hizotra ho aty an-drenivohitra. Raha ny fantatra dia fiara sprinter an’ny kaoperativa Cotis no niharan’izany. Vaky ny fitaratra ary ny tena nampalahelo ny maro dia ny fisian’ny mpandeha roa tao anatin’io fiara io naratra vokatry ny tora-bato.  Efa nanomboka tamin’ny fotoan’ny fampielezankevitra no nanomboka niverina ny fahatapahan-jiro tao Toamasina Renivohitra. Tsy indray tapaka izany fa mitety kartie, mandritra ny adiny telo tsirairay eo ny faharetany. Tsy maintsy hitory ireo olona naratra ary koa ny tompon’ny fiara simba. Dia hisy ve izany ny fisamborana sy ny fanadihadiana? Hatreto mantsy, ny mpianatra amin’ny oniversite, izay heverina fa manan-tsaina satria fampianarana ambony no horantovina, dia lasa toa ireny tsimatimanota ireny indray. Andrasan’ny maro ny tohin’ny tantara…

JC Steve/D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser