- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversBarikadimy Toamasina : Mitokona ny mpianatra eo anivon’ny « Degmia »

Barikadimy Toamasina : Mitokona ny mpianatra eo anivon’ny « Degmia »

Miverina mafana indray ny eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina raha somary nangingina izany taorian’ny sazy fandroahana nahazo ireo mpianatra efa-dahy voalaza fa mpitarika korontana, noho ireo fitokonana niteraka fanimban-javatra niseho teo aloha, raha nisy ny fiakaran’izy ireo ny komitin’ny fitsipi-pifehezan’ny oniversiten’i Toamasina. Mitokona sy nanakatona ny varavaran’ny sampam-pianarana “DEGMIA”, na « Droit, Economie, Gestion, Mathématique Informatique et Application », noho resaka diplaoma “Masret 1” an’izy ireo tsy mety avoakan’ny oniversite nefa efa nisy hatramin’ny taona 2016 hatramin’izao taona 2018 izany diplaoma izany. Mitaraina sy efa nanaraka ny fepetra rehetra notakian’ny oniversiten’i Toamasina ireto mpianatra ireto nandritra izay nefa mbola tsy mety mivoaka ilay izy. Misy amin’ireto mpianatra anefa efa nahita asa, misy ireo mbola te-hanohy ny fianarany, ary eo ireo te-hiazo ny firenen-kafa hanitatra ny fahalalany, nefa voasakana noho ity resaka diplaoma “Master 1” an’izy ireo tsy mivoaka ity. Raha ny fanazavana azo teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina dia noho ny tsy fahavitan’ireto mpianatra ireto ny fanohanan-keviny tamin’ny taona faha-03, izay nahazoan’izy ireo ny diplaoma “licence” no olana, satria tsy ny filohan’ny oniversite no tsy mamoaka izany fa ny sojaben’ny sampam-pianarana DEGMIA noho io antony io. Ho an’ny mpianatra anefa dia filam-baniny izany, satria matoa izy ireo afaka niatrika ny tohan-kevitry ny “Master 1” dia efa nandalo ny dingana rehetra ary nahazo ny “quitus” amin’ny fidirany teo anivon’ny taona faha-04 ihany koa. Milamina aloha ny eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina na eo aza ity fitokonana sy fanakanana amin’ny alalan’ny hazo be ny varavaran’ny sampam-pianarana DEGMIA ao Barikadimy ity. Mandrahona ny hanamafy ny hetsika anefa ireto mpianatra an-jatony raha tsy mandray ny fepetra momba ny diplaoma miantoka ny ho aviny ny sojaben’ny DEGMIA sy ny filohan’ny oniversite.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici