Tena henjana ny hetsika nataon’ireo mpianatra tao anatin’ny fatapan-jiro teto Toamasina nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Misy tamin’ireo fatapahana izay volaza fa vokatry ny tamban-jotra mpitondra herinaratra, dia misy ny naharitra 24ora ny fatapahana tao anatin’izay, indrindra ny alatsinainy sy ny talata teo.
Vokatra ireo fahatapahana ireo dia leo ny mpianatra tao Barikadimy ny andro alina, ka nanao hetsika teo ivelan’ny vavahadiny izy ireo nampiseho ny alahelony. Milaza mantsy izy ireo fa ny fiainany mihintsy no voahelingelany isan’izany ny resaka fandrahoana sy ny resaka famerenan-desona amin’izao ankatroky ny fanadinana izao. Rariny ny an’ireo mpianatra hoy ny vahoaka, saingy mitaintaina isaky ny mitranga izany ireo mponina manodidina ny Barikadimy, satria mahery vaika be ireo mpianatra manao ny fitokonany. Tao anatin’ity hetsiky ny mpianatry ny oniversite ity dia lehilahy iray mpamily fiara nanivaka ny barazy nataon’izy ireo no voatora-bato ka naratra tamin’ny lohany. Raha nentina teny amin’ny mpitsabo dia zaitra fito be izao no natao tamin’ny lohany.
Ankilan’izany dia mpanakalo vola amin’ny alalan’ny finday iray koa may nandritra izany nodoran’ireto mpianatra. Nisy koa anefa ireo trano fivarotana sy trano fipetrahana manodidina voaroba nandritra ny hetsika. Araka ny vaovao dia nisy tamin’ireo olon-dehibe ara-taona no niakatra tampoka ny tosi-drany noho ireo zavatra henony sy hitany, noho ireo torabato maro nitranga, tamin’izao fandravana tao anatin’ny fitokonan’ny mpianatra tao Barikadimy izao.
Nanao izay hafany tamin’ny fandaminana ny mpitandro filaminana fa noho andro maizina tamin’ny fatapahan-jiro dia tsy nisy ny azo natao raha tsy nanafoana monja aloha ilay fitokonana tamin’ny fifandaminana tamin’ireto mpianatra. Efa milamina ny toe-draharaha ankehitriny satria niverina ihany ny jiro, na mbola manahy fahatahana aza ireto mpianatra amin’izao famerenan-desona noho ny fanadinana izao.
Malala Didier