- Publicité SW45 -
samedi, décembre 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBarson Rakotomanga : Voaantso eny anivon’ny zandary eny Fiadanana

Barson Rakotomanga : Voaantso eny anivon’ny zandary eny Fiadanana

« Kamarady, mitohy hatrany ny antsojay atao amin’ny mpitarika sendika. Ankoatra ny filohan’ny SECES Antananarivo dia antsoina eny amin’ny Brigade Criminelle Fiadanana ihany koa ny Filohan’ny Randrana Sendikaly » araka ny hita tao anatin’ny ranty nalefan’Atoa Barson Rakotomanga tao amin’ny pejy Facebook-ny. « Tsy azo ekena ny fanitsakitsahana ny zo sy fahalalahana ara-tsendikaly. Fifanarahana iraisam-pirenena fototra an’i OIT faha-87 sy 98, ao koa ny lalam-panorenana Malagasy tamin’ny 2010 andininy 31, 32, 33. Ilain’ny sendikalista enao. Izaho sahy – Izao dia izao» hoy hatrany izy.

« Fanohitohinana fiandrianam-pirenena » no hitoriana an’ity filoha sendikaly ity ary antony hampanantsoina azy eny anivon’ny zandary ao amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana, araka ny voarakitra ao anatin’ny taratasy fampiantsoana azy, laharana faha-855-SRC/2-CONV, tamin’ny talata 21 novambra teo, izay voasonian’ny Lehiben’ity sampandraraharaha ity.

Marihana fa niaraka nahazo ity taratasy fampiantsoana ho eny amin’ny zandary ity ihany koa ny Filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny anivon’ny Anjerimanontolo, na ny Seces, ary mitovy tsy misy valaka ny antony fampiantsoana azy ireo. Samy fitoriana mahakasika io fanohitohinanana ny fiandrinanam-pirenena io avokoa, izay napetraka teny anivon’ny tribonaly, ny andron’ny 11 novambra lasa teo izany ary nalefa « soit transmis » eny anivon’ny zandary, hisahana ny famotorana azy ireo. Tombanana ho taorian’ilay taratasy napetraka eny anivon’ny Kaomandin’ny Etamazaoron’ny Tafika ary nosoniavin’ireto farany no anton’izay fitoriana izay. Taratasy izay miantso ny eo anivon’ny Foloalindahy malagasy handray andraikitra manoloana ny zava-misy mianjady amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao. Ary voasokajy ho fandikan-dalàna araka ny voarakitra ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana, ao amin’ny fizaràna faharoa, manomboka eo amin’ny andininy faha-91. Andrasan’ny rehetra araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici