- Publicité -
mercredi, décembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBasket-ball ao Betsiboka : Vita ny fifidianana ny filohan'ny section sy ny...

Basket-ball ao Betsiboka : Vita ny fifidianana ny filohan’ny section sy ny ligim-paritra

Tontosa soa aman-tsara ny Alatsinainy 01 Desambra taona 2025 teo iny, tao amin’ny efitrano malalakin’ny Tanora sy ny Fanatajahatena ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny fifidianana filohan’ny  » Section sy ny ligim-paritry ny Basket-ball. Nizara roa ny fanatanterahana ny fifidianana. Ny tapan’ny maraina tokony tamin’ny folo ora dia ny Section no natao voalohany, saingy kandida tokana i Ratokondrazava Laurent Gérard-SG n CRA na: ( Commission Régional des Arbitre Betsiboka teo aloha, ) izay sambany nilatska tamin’ity fifidianana ity. Ny filohan’ny Club telo ara-dalana, amin’ny fananganana izany ihany no afaka nifidy teto, raha toa mbola tsy mahafeno fepetra takina amin’ny fijoroan’ny Club ato amin’ny Section an’i Maevatanàna ny efatra ambiny. Lany filoha mpitarika ny ligim-paritra Betsiboka vaovao, araky ny tetiandrom-pifidianana navoakan’ny federasiona Malagasy ny Basketball, hoan’ny tapan’ny hariva i Girald Léonce hitantana mandritra ny efatra taona. Ka ny filohan’ny Section eto Maevatanàna no nifidy azy, nohon’i Kandreho sy Tsaratanàna mbola tsy manana section no anton’izany. Nanome toky moa ny filoha vaovao roa mirahalahy hoan’ny basket-ball Betsiboka sy ny eto Maevatanàna fa tsy hisy hatao ankilabao ny  » club rehetra,  » ary vonona ny hanatsara ny tontolon’ny basket-ball aty amin’ny faritra sy ny disitrika voalaza etsy aloha no handray ireo torohevitra henti-mampandroso, ity taranja ity. Nambaran’ireto farany fa tsy hisy ny fanampahan-kevitr’olon-tokana ao anatin’izany fitantanana izany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa tazana nanontrona nandritra ny fiarahana niala hetaheta tamin’ny alalan’ny tsaingoka sy goka ny solombavam-bahokan’i Madagasikara, voafidy tato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna sy zareo avy ao amin’ny fitaliavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatajahatena, ary ireo olom-belona nahazo fanasana nanatrik’izany, taorin’ny fifidianana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici