Niezaka ny nanao ny asany amin’ny maha-mpanabe azy izy, dia ny nanasaraka ireo tanora izay nifampikasi-tànana. Izany dia taorian’ny lalao famaranana basket-ball izay natao tetsy Mahamasina ary niafara tamin’ny totohondry teo amin’ny samy mpianatry ny lisea. Hitan’ilay tompon’andraikitry ny sekoly izany ary tsy neken’ny sainy ny nahita ireo tanora mifandratra rehefa vita ny fifaninanana teny ambony kianja. Izy rahateo no nisahana ny ekipan’ny lisea izay niasany. Rehefa niditra an-tsehatra izy, dia mba nilamindamina kely ilay sakoroka tamin’ireo tanora, raha araka ny vaovao azo. Kinanjo tsy tena nijanona hatramin’ny farany izany, satria rehefa nivoaka ny toerana izy dia mbola nisy nanaraka ihany ary teo dia nodarohan’ireo olona izay heverina ho mpianatra ihany. Voa mafy ilay rangahy ary nanomboka teo, dia tsy nahatsiaro tena ary tsy maintsy nentina avy hatrany tany amin’ny Hjra. Namoy ny ainy izy omaly maraina, na teo aza ny fialana nenina rehetra izay nataon’ny mpitsabo. Manam-bady ary manana zaza vavikely iray ity tompon’andraikitra ity. Semban-drahona tampoka ny ankohonany noho ny zava-nitranga; izay tsy nisy hadisoany na ny kely aza. Mifanohitra amin’izany aza, nanao ny asa amin’ny maha-mpanabe azy izy. Ny zava-nisy tato ho ato, dia azo itarafana ny firodanan’ny fanabeazana ankehitriny. Tetsy Ankatso, nisy mpianatra voakarama izay nitoraka tamin’ny « cocktail molotov » ny depiote mpanohitra izay nandalo teny an-toerana. Izao koa, tomponandraiki-pampianarana novonoin’ny mpianatra sasany noho ny fiarovany ny olona eo ambany fifehezany. Mifanao indray andro ireo tranga roa ireo ary mampibaribary, fa mikorosy fahana ny fitondran-tenan’ny mpianatra. Misy mpamono olona, misy mpitoraka baomba, misy mpanakorontana. Ny manala tablie rehefa vita ny fianarana dia mivaro-tena anatin’ny tambajotra, tranga isan’ny mahazo vahana koa izany ankehitriny. Momba ny fahafatesan’ilay « surveillant » izay voatantara etsy ambony, re fa tsy faly amin’ny zava-nitranga ny mpianany ary ahiana ny mety hisian’ny valifaty. Mila manao fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana ary mijery izay tompon’andraikitra tamin’ity vono olona ity, mba tsy hiitaran’ny raharaha ho lasa lavitra loatra.
D.R