- Publicité -
vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversTalen’ny filaminam-bahoaka Atsinanana : Basy 04 sy antsibe 15 ary…jiolahy 20 maty...

Talen’ny filaminam-bahoaka Atsinanana : Basy 04 sy antsibe 15 ary…jiolahy 20 maty voatifitra tao anatin’ny 10 volana

Nanao tatitra ny tsy filaminam-bahoaka nosahaniny tao anatin’ny 10 volana, ny volana janoary hatramin’ny 08 oktobra 2024, ny teo anivon’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana. Tao anatin’izay dia basy poleta miisa 04 no sarotra, teo koa ireo antsy be miisa 15 sy antsy fohy miisa 26 ary “pinces coupantes” miisa 07 tratra tamin’ireo jiolahy teto Toamasina. tao anatin’izay dia olona miisa 191 sarona, ka ny 147 tamin’izany nahiditra am-ponja vonjy maika tao Ambalatavoahangy, ary miisa 20 kosa ireo jiolahy maty voatifitry ny polisim-pirenena tao anatin’izay. Isany tena mampirongatra ny fanaovana asa ratsy eto Toamasina ity ny fidorohana zava-mahadomelina amin’ny tanora, ka noezahan’izy ny mamongotra azy amin’izao amin’ny fifehezana ity zava-mahadomelina ity. Rongony milanja 8,76kgs sy rongony mahery vaika, Heroine, avy any ivelany milanja 2,06gs no saron’izy ireo, izay mbola maro ireo ifampitadiavana hoy hatrany ny polisim-pirenena eto Toamasina. Raha ny fanazavana ihany dia nanomboka ny volana jona teo no tena nirongatra ny asa ratsin’ireo andian-jiolahy, ka maro ny olona maty voatifitra tao anatin’izany indrindra fa ireo mpikirakira vola toy ny mpanao fanakalozam-bola amin’ny finday. Ezaka goavana ataon’ny polisim-pirenena ny famerenana an’I Toamasina ao anatin’ny filaminana tao anatin’ny asan-jiolahy tato ho ato izay, ka misy ny “operation” tsy an-kitsitsy ataon’izy ireo ary maro ireo jiolahy maty voatifitra tao anatin’izany “operation” nataon’izy ireo izany. Hitohy hatramin’ny faran’ny taona izao hetsiky ny polisim-pirenena izao hoy ny talen’ny polisy Atsinanana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici