- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBasy « kalach » eny am-pelatanan’ny dahalo : « Fiaraha-miasa amin’ny mpitandro...

Basy « kalach » eny am-pelatanan’ny dahalo : « Fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana »

Mazava izao ny raharaha ! Saingy ny tokony ho vokatry ny fanadihadiana izao dia ny hoe iza ireo mpitandro filaminana ireo ary iza amin’ireo antokon-kery telo, zandary, miaramila sa polisy ?

Nahagaga ny mpanara-baovao maro ihany tokoa  ny nahitàna ireo karazana fitaovam-piadiana mahery vaika ary saika arifomba avokoa teny am-pelatanan’ireo andian-dahalo mpanafika. « Kalach », « fusil à pompe », grenady, bala isan-karazany … saika karazana fitaovam-piadiana toy izany avokoa no tra-tehaka rehefa misy andian-jiolahy rava na dahalo voasambotra maty. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy tamin’ny ekipan’i Del kely izay nanambaran’ny Kaomadin’ny fari-piadidian’ny zandary eto Antananarivo fa saika « basim-panjakana » avokoa izy ireo. Vao ny alatsinainy lasa teo ihany koa, rehefa nahatratra lehilahy iray mpivarotra basy tsy ara-dalàna ny teo anivon’ny Hery vonjy taitran’ny kaomisarian’ny pôlisy tao Toliara dia nambaran’ity farany tamin’ny fakàna am-bavany azy fa « miara-miasa amin’ny mpitandron’ny filaminana izy », raha ny fampitam-baovao azo teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Izany hoe, raha takarina tsotsotra dia  tsy maintsy avy amin’ny sasantsany amin’ireo mpitandro filaminana ihany no loharano hipoiran’ireny fitaovam-piadiana ireny sy ny fanaparitahana azy ary tonga eny am-pelatanan’ny olon-dratsy.

Raha ity tranga farany ity dia basy roa : « kalach AK47 » niaraka tamin’ny fitoeram-bala voasesika bala 23 isa sy basy poleta mamahan-tena marika « MAB » no sarona teny amin’ny lehilahy iray 31 taona. Raha ny vaovao azo dia nisy loharanom-baovao voaray teo anivon’ny pôlisin’ny Fip tao Toliara, mahakasika ny olona iray mivarotra basy tao Mitsinjo Betanimena. Rehefa natao ny fidinana teny ifotony sy vela-pandrika dia tra-tehaka teo am-pivarotana izany basy izany tokoa ingahirainy. Noraisim-potsiny. Nogiazana avy hatrany ireto fitaovam-piadiana ireto. Ilay nivarotra azy koa, nentina nohadihadiana avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria. Nandritra izany fakàna am-bavany azy izany no nilazàny izay firaisany tsikombakomba amin’ny mpitandro filaminana izay. Efa mandeha moa, hoy  ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena ny fanadihadiana rehetra mahakasika izay zavatra izay, ary heverina sy hirarian’ny maro mba hivoaka ny tena marina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici