Nandritra ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana. Basy kalachnikov iray niaraka tamin’ny basim-borona roa no hita nofonosina tao anaty gony ary nafenina tao anaty lavaka iray tao Tsipangalava, fokontany Miadapaonina, kaominina ambanivohitr’Ambandrika, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly. Mbola nahitana fitaovan-dakozia, toy ny sotro sy vilia ary ny vilany nofehezina anaty lamba, koa niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo. Voalazan’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Ambatondrazaka fa basy fampiasan’ireo dahalo rehefa maka an-keriny sy manao fanafihana ireto. Marihina fa vao haingana no nisy fahatratrarana dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Ao anatin’ny hetsika amin’ny ady amin’ny asan-dahalo sy fakana an-keriny izao vokatra azon’ny tobim-paritra Ambatondrazaka izao. Araka izany, mitohy ny fikarohana ireo jiolahy amin’izao fotoana izao. Ambatondrazaka sy ny manodidina izay anisan’ny famaharan’ireo dahalo amin’ny fakana an-keriny. Na efa maro aza ny tratra tamin’izany, mitohy hatrany izany asa ratsy izany. Vao tsy ela no nisehoan’ny fanafihana tany Toamasina Faharoa, ka nizoran’ireo olon-dratsy tany amnin’iny faritra mihazo an’Ambatondrazaka iny. Nisy mihitsy moa nilaza fa olona nanao fiteny avy any an-toerana ireo nanafika ary niandahy niambavy izany. Nisy ihany koa ny fakana an-keriny tamin’izany saingy efa navotsotr’ireo dahalo ireo olona nalaina. Ao anatin’ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana hatrany izao ka mba mihena aloha ny basy mahery vaika ampiasan’ny dahalo.
Yv Sam