- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBasy nanaovana kidnapping : Mpitandro filaminana miaro olona ambony no tompony

Basy nanaovana kidnapping : Mpitandro filaminana miaro olona ambony no tompony

Nivoatra faran’izay haingana ny fanadihadiana mahakasika ireo taim-bala nampiasain’ny jiolahy nandritra ny fakàna an-keriny teratany sino iray, tany Toamasina. Nipoitra tao anatin’izany fa an’ny mpiambina olona ambony ireo bala mitondra ny laharana 309-74 sy 13-94, nampiasaina nitifirana pôlisy tonga nanao fanadihadiana momba ilay raharaha. Bala izay mbola azo ampiasaina avokoa, ary an’ny olona amperinasa, raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Tao anatin’ny ezaka nataon’ny mpanao fanadihadiana hatrany dia nipoitra fa mpiambina olona ambony no tokony ho tompon’ireo bala ireo. Fanindroany izany no nitranga ny toe-javatra toy izao tao Toamasina. Ny voalohany dia ilay fandrobana lehilahy iray avy ao amin’ny banky, mpandraharaha izy io. Lasa tamin’izany ny vola mitentina 140 tapitrisa ariary saingy rehefa nitsoaka nizotra nankaty an-drenivohitra ireo jiolahy dia voasambotra teo Moramanga. Teo dia samy niteny ny toeram-piasany avy ireo jiolahy, izay tsy iza fa mpitandro ny filaminana, ary tsy vitan’izany fa miaro filohan’ny andrimpanjakana iray manana ny maha-izy azy izy. Raha ny fizotran’ny fanadihadiana mandeha dia mitady tsy hifanalavitra amin’izay ihany koa ny valiny…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici