Ny alahady 08 desambra teo raha variana nisakafo ny tompony tamina trano fisakafohanana iray teto Toamasina, dia novakiana andian-jiolahy ny fiarany ka very tamin’izany ny sakosy iray izay bnisy basy ara-dalana an’ny tompony tao anatiny. Nisy noho izany ny fitoriana napetraka izy ireo teo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava Toamasina. Taorian’ny fanadiadiana lalina nataon’ny polisy misahana ny heloka be vava dia ny alakamisy 12 desambra teo no hita ny momba momba ilay andian-jiolahy namaky ny fiara, ka ny zoma 13 desambra teo dia voasambotra ny tenany ary nanondro ny namany nivarotany ny zavatra tao anatin’ilay sakosy. Raha ny fanazavany dia 600.000 ariary no namarotany ilay basy sy ny bala 08 tao anatiny, saingy mbola ny 300.000 ariary no azony hatreto, ka mpitandro ny filaminana (izay tsy voalaza na polisy na zandary) izany no nividy ilay basy taminy. Raha nosavaina io mpitandro ny filaminana (?) io dia nibaradaka fa efa napetrany amin’ny namany ilay basy, raha nosavaina tany izany dia tratra tao anaty vata sarihana ilay basy sy ny bala tao anatiny saingy efa 05 sisa ny bala hita fa ny 03 efa nampiasain’izy ireo izay tsy nahazoana fanazavana na nampiasaina tamin’ny inona ireo bala 03 ireo hatreto. Raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny heloka be vava Toamasina izany dia tena tamban-jotra mpanao asan-jiolahy ireo mpamaky fiara sy mpividy basy halatra ary ny mpanafina ilay basy ireto, nefa anjaran’ny fitsarana izay nandefasana ny raharaha no mandinika ny tena fandehany. Hatretio aloha dia ny famakiana fiara sy trafika na basy no fanenjehana azy ireo any amin’ny fitsarana.
Malala Didier