Taorian’ny fitsirihana tampoka nataon’ny talem-paritry ny varotra sy ny indostria ary ny asa Tanana Atsinanana tao Bazary kely ka nijerena ireo fitaovam-pandanjana, dia nitsirika ny zava-misy tao amin’ny bazary Ankirihiry kosa ity talem-paritra Atoa Belalahy Berchmans sy ny ekipany ity ny talata maraina teo. Nosavaina avokoa ireo fitaom-pandanjana tamin’ireo Epicerie, mpivaron-kena, mpivarotra trondro, ary…ireo mpivarotra hafa rehetra, nandritra izany fitsirihana natao izany. Tamin’izao fitsirihana izao no nahatrarana ireo fitaovam-pandanjana sy vato mizana marobe tsy ara-dalana nampiasain’ireo mpivarotra tao Ankirihiry. Tonga dia nogiazana avy hatrany ireo tratra tamin’izany, saingy azon’ireo tompony kosa ny manantona ny sampan-draharaha ny “Métrologie légale” miaraka amin’ny sazy sy ny hofan’ny fanamboarana tsy maintsy atao amin’ny fitaovam-pandanjana sy ny vato mizana tsy ara-dalana. Voamarika ihany koa hoy ny talem-paritry ny varotra sy ny indostria ary ny asa Tanana Atoa Belalahy Berchmans, fa tsy nisy nanana “Vignette” ireto mpivarotra maro be nanana ny fitaovam-pandanjana tsy ara-dalana marobe tratra ireto, nefa ny lalana no maniraka ireo mpivarotra rehetra mampiasa ny fitaovam-pandrefena rehetra ny hanaovana ny fanamarinana azy ireny isan-taona. Milaza ny talem-paritra atsinanana fa tsy hijanona ao Bazary kely sy ao Ankirihiry ihany ny fitsirihana tahaka izao mba hampanaram-penitra ny fivarotana maro be eto amintsika, fa ho avy tsy ho ela koa ny fitsirahana izany ao bazary Ambolomadinika – bazary Valpinson – ary ny ao bazary Tanamakoa sy bazary Tanambao V.
Malala Didier


