Mampisy resa-be eto Toamasina ilay raharaha famarotana ny “Trano Avo”Bazary Kely tamin’ny orinasa karàna any Dubai. Hiditra amin’ny fanapahan’ny mpanolotsain’ny kaominina ny fankatoavana azy.
Vokatr’izay, satria miankina amin’ireo mpanolotsaina ny ho fizotry ny raharaha, ka raha tokony hanomboka omaly ny fihaonana dia voatery nahemotra ny alarobia izao ny fivoriana tsy ara-potoana. Nisy noho izany ny fihaonana manokana tamin’ireo mpanolotsaina sy ny filohan’izy ireo tao amin’ny biraon’ity farany, mahakasika ity resaka “raharaha Trano Avo” Bazary Kely ity.
Marina aloha fa efa antitra ity trano avo Bazary Kely ity, saingy efa namidin’ny fanjakana tamin’ireo mipetraka ao ny trano ka tokony hisy aloha ny fifampiresahana eo amin’ny fianakaviana tompon’ny trano sy ny fanjakana ary ilay orinasa karàna avy any Dubai mpividy izany. Omaly aloha tsy mbola nisy ny fifampiresahana teo amin’ireto tompon-trano sy ny ben’ny tanàna. Nihamafy anefa ny fitakian’izy ireo satria misy hatrany ny fihaonana etsy sy eroa amin’ireo vahoaka monina ao.
Misy ihany koa ny fiambenana andro aman’alina ataon’izy ireo amin’ny fisian’ny feo mety ho fidinan’ny mpitandro ny filaminana hanaisotra azy ireo amin’ny tranony sy ny fivarotan’izy ireo avy.
Malala Didier