- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversBazary kely Toamasina : Nisy fivarotana nirehitra indray

Bazary kely Toamasina : Nisy fivarotana nirehitra indray

Lasa nahazo vahana tampoka indray eto Toamasina ity  hain-trano ity, izao. Tsy mbola tafarina akory ireo trano 250 may nahatra-boina olona 1.200 tao Tanambao V P/elle 13/81 nitranga ny alakamisy tolakandro, dia omaly zoma ora mitovitovy tamin’ity tranga tao Tanambao V ity tokony  ho tamin’ny 1ora sy sasany teo koa dia nitrangana fahamaizana fivarotana tao Bazary “Esplanade” bazary kely. Fivarotana lamba sy kiraro ity nahitana firehetana ity ; izay tonga ara-potoana ny fiara mpamonjy voina sy hain-tranon’ ny kaominina, ka nalaky voafehy ny afo tsy nitaran’izany tamin’ireo fivarotana hafa, saingy niteraka fahapotehana entam-barotra maro tamin’ity fivarotana ity kosa. Tsy fantatra ny tena antony niandohan’ny afo, fa raha ny fanazavana dia mety ho pitik’afo no niteraka izany, satria kiraro sy lamba mora mirehitra avokoa ireo may ireo. Vokatr’izao hain-trano mifanesy eto Toamasina izao, dia miezaka manome toromarika ny vahoaka ny Kolonely Charles Désiré misahana ny sampan’ny mpanonjy voina sy hain-tranon’ ny kaominina ambonivohitry Toamasina, fa raha misy firehetana tsy mahazatra mitranga ka mihoatra ny 10 segondra ny firehetany, dia afaka miantso ny mpamonjy voina sy hain-trano avy hatrany no manohy amin’ny famonoana ny afo hatrany, raha manaja izay ny olona sy ny mpiara-monina dia tsy hitranga ny hain-trano goavana. Nomarihan’ity kolonely ity ihany koa, fa tsy tsara ny mitahiry solika an-trano, loza mitatao  ireny, satria vokatra isan’ny mora mirehitra ny solika sy alikaola. Ankoatra izay dia manao tohivakana ny fanampiana ataon’ny olona sy ny fikambanana ary ireo antoko politika ireo tra-boina 1.200 ao Tanambao V, isan’ny nanao ny adidiny ho fanampiana ny mpiara-belona Atoa Ravalomanana tamin’ny anaran’ny Komity Manohana azy eto Toamasina, tamin’ny fanolorana vary sy fitaovana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro. Teo koa ny fikambanana Ino Maresaka Toamasina. Teo koa ny fanjakana tamin’ny alalan’ny mininistra Horace Gatien ; izay minisitra “coach”-n’ ny faritra Atsinanana eo anivon’ny governemanta tamin’ny fanolorana vary sy menaka ary kojakoka ilaina amin’ny fiainana an-davanandro ihany koa.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici