- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBazary kely Toamasina : Ramatoa voatifitry ny jiolahy teo amin’ny feny, niala...

Bazary kely Toamasina : Ramatoa voatifitry ny jiolahy teo amin’ny feny, niala maina ireo jiolahy

Mitohy hatrany ity fanafihana mitam-piadiana olona heverin’ireo jiolahy ho manam-bola ity eto Toamasina hatramin’izao. Efa betsaka ihany izay tratran’ny mpitandro filaminana izay hatramin’iny taona nivalona iny, fa mirongatra hatrany izany eto Toamasina efa saika isan- kerinandro. Ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 4ora tolakandro, dia ramatoa iray hanatitra vola amin’ny mpampiasa azy no notafihan’ireo jiolahy 3 nitondra moto scooter teo anoloan’ity banky iray ao Bazary kely, saingy tsy avy ao amin’ity banky ity izy, fa efa narahan’ireo jiolahy tamin’ny toerana niaingany nitondra ilay vola kosa. Marihana, fa nandeha fiara ity ramatoa nitondra vola ity tamin’io fotoana io, saingy nosakanan’ireo jiolahy nitondra moto roa ka ny roa nanao taingin-droa, fa ny iray nandeha manokana izy tamin’izay. Raha ny fanazavana, dia tsy nisy resaka lava, fa avy hatrany dia nosokafan’izy ireo ny fiara nisy ilay ramatoa vao nijanona ka niaro ny vola teny aminy ilay ramatoa. Saingy nampiasa ny basy teny aminy ireo jiolahy ka voatifitra teo amin’ny feny ilay ramatoa; na izany  aza dia niezaka niaro ny vola teny aminy ilay ramatoa ary nikiakiaka niantso vonjy sy niaro mafy ilay sakosy nisy ny vola. Vao nahita izany anefa ireto jiolahy dia sadaikatra satria efa nanomboka vory ny olona, hany herin’izy ireo nitsoaka sao hiharan’ny fitsaram-bahoaka teo. Raha tonga nijery ny zava-nisy ny polisy dia nahitana ambina bala 9mm roa tao anatin’ilay fiara izany hoe in-droa nanapoaka basy ireto jiolahy, saingy tsy nanaiky nilefitra mihitsy ilay ramatoa nitazona ilay vola noho ilay vola tsy azy fa an’ny mpampiasa azy.

Malala Didier

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici