Nitondra fanazavana ilay hetsika fanaraha-maso ny fitaovam-pandanjana teto Toamasina nataony faran’ny teo ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana atsinanana Atoa Belalahy Jean Berchmans. Araka ny nambarany dia tena tafiditra ao anatin’ny asan’ny minisiteran’ny varotra ny fanaraha-maso ireny fitaovam-pandanjana sy fitaovam-pamarana samy hafa ireny ankoatra ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra mivoaka eny an-tsana. Raha ny tranga tao Bazary kely araka ny nambaran’ity talem-paritra atsinanan’ny varotra sy ny fanjifana ity, dia efa ny volana desambra ny taona nivalona iny no nahazo taratasy ny tokony sy tsy maintsy hanaovan’ireo mpivarotra hazandrano ao bazary kely ny fanamarinana ara-pivaovam-pandanjan’izy ireo eo anivon’ny sampandraharaha ny “Métrologie légale” eto Toamasina; saingy tamin’izay dia azo vitsy dia vitsy no nanao izany, nefa ny fitarainan’ny olona mpividy hazandrano mitombo hatrany amin’ny hala-danja. Voatery nidina an-tsehatra nanamarina izany ny ekipan’ny minisiteran’ny varotra Toamasina, koa nandritra ny fanamarinana natao dia hita avokoa ny tsy fanaraha-dalan’ireo mpivarotra hazandrano amin’ny resaka lanja. Hatramin’ny 200g sy 250g ny tsy fahampin-danja tsikaritra tamin’ny fitaovam-panfanjana tamin’ny ankamaroan’izy ireo, hono izany dia matiantoka 200g na 250g ny mpividy iray mandritra ny fifidianany hazandrano ao Bazary kely. Voatery nogiazana avokoa ireo fitaovam-pandanjana nisy ny tsy mety rehetra, ka isan’ireny ny vato mizana izay tena olana goavana ny tsy fanarahan-dalana hita taminy. Hitohy amin’ny tsena maro eto Toamasina ny hetsika mba tsy hisian’ny fifanambakana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpividy entana.
Malala Didier