- Publicité -
jeudi, janvier 8, 2026
AccueilFaits-DiversBazary kely Toamasina : Tovolahy iray nendahan’ireo 4mi, nodorana ny tanany…

Bazary kely Toamasina : Tovolahy iray nendahan’ireo 4mi, nodorana ny tanany…

Zavatra nitranga ny fetin’ny krismasy ny 24 desambra no nitranga ny fanendahana ity tovolahytaona faha-04 amin’ny CEG. Tovolahy 15 taona eo ity voaendaka raha nandeha nivody fanomazana ataony any am-piangonana io andron’ny krismasy io. Nanao boatindrakitra izy nandritra ny volana maro, ka nahazo vola 19.000 ariary tao anatin’izany. raha iny izy nikasa hividy ilay fanomezana krismasy tany am-piangonana iny no nifanehitra tamin’ireti zanaky ny lalana na 4Mi iray. Niezaka nanendaka azy ilay zanaky ny lalana saingy tsy naharava azy ka nitsoaka niala teo. Raha nitsoaka anefa izy dia niantso namana tany ambadika, ka ireto farany nanao ilay fanendahana, ny fanomezana novidiany koa mbola tsy azo tao anatin’izany. nanaovan’ireto zanaky ny lalana ady farimbona ilay tovolahy 15 taona, ka iny voamafy iny dia nodoran’izy ireo ny tanany roa. Lasa avokoa anefa ny vola tany aminy saika nividinany ilay fifanakalozana fanomezana tany am-piangonana, ny tenany amin’io naratra sy may. Vao nahavita izany ireto zanaky ny lalana ireto dia niala teo ary nanjavona tany anaty lalam-pasika nivoahany ihany. Tena voa mafy ilay tovolahy ka hatramin’izao dia mbola mitsabo ilay nodoran’ireo 4Mi-ny bazary kely ireto, satria tena may be mihitsy ny Tanana roa nandritra izany. Nisy olona nandalo sendra nahita ny zava-nitranga vao najanon’ireto mpandoro Tanana ny zavatra nataony, raha tsy izany saika loza ny zava-nisy sy nanjo ity tovolahy 15 taona ity. taoriany zava-nitranga dia nametraka fitoriana teny amin’ireo mpitandro ny filaminana ny ray aman-drenin’ilay tovolahy, ary efa manara-maso ireto tavolahy sy ankizy 4Mi nahavanona izao fandoroana izao izy ireo. Mampitandrina ireo mpiantsena tanora, indrindra fa ireo vehivavy tanora ny mpitandro filaminana mba hitandrina, fa tsy kely lalana ny ratsy amin’izao fotoana maha-be olona an-tsena izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici