Nahazo loharanom-baovao tamin’olona tsara sitra-po ny zandary teto Toamasina, ka nahafahana nisambotra ireto telo lahy nitondra taolam-paty. Miisa 60 teo ireto taolam-paty saron’ny zandary ireto izay avy any Vavatenina no fiaviany ary kasaina hamidy eto Toamasina, ka tao amin’ny tsenan’ny fokontany Valpinson no nahatrarana azy telo lahy ireto. Nisy ny velam-pandrika nataon’ny zandary nahatrana ireto telo lahyireto, ka teo an-dalam-pijerena mpividy izy ireo no tratra avy hatrany niaraka tamin’ny gony nisy ireto taolan-dava ireto. Nosamborina avy hatrany izy telo lahy ireto ary nisy avy hatrany ny fakana am-bavany azy ireo, ka nandritra izany no nahafantarana fa fasana maromaro novakiana tany amin’ny distrikan’i Vavatenina, no nakana ireto taolan-dava ireto. Tsy nomen’izy telo lahy kosa tamin’ny fanadiadiana natao tamin’izy ireo ny isan’ny fasana novakian’izy ireo tamin’izao nakana ny taolan-dava niisa 60 izao. Efa nogiazan’ny zandary ireto taolan-dava ireto azy kasaina haverina any amin’ny toerana nakana ireto taolam-paty tratra teto Toamasina ireto. Niakatra fampanoavana omaly hariva ny raharaha raha vitan’ny zandary ny fakana am-bavany azy telo lahy, ka miandry fitsarana am-ponja ao Ambalatavoahangy izy ireo amin’izao.
Malala Didier