Mitaraina ireo tantsaha mpamokatra lavanila ao amin’ny distrikan’i Bealalana, fa mirongatra tato ho ato, ny halatra lavanila manta. Fantatra ihany koa, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, fa samihafa ny fotoana fanokafana ny fivarotana ny lavanila any amin’ireo kaominin’i Bealalana, noho ny maha samihafana ny toetry ny andro sy ny toe-tany misy any. Ny akaiky indrindra, dia amin’ny faran’ny volana mey izao. Araka ny voalazan’ny filohan’ny “plate-forme vanille” any Bealalana, dia mahatratra eo amin’ny 40 taonina isan-taona ny vokatry ny lavanila any an-toerana. Ary mahatratra eo amin’ny 15 taona isan-taona ny lavanila manta sy simba vokatry ny hasomparana ataon’ireo mpangalatra ireo. Efa nahitana vokatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny “platefore lavanila”-n’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpitandro ny filamina, amin’ny ady atao momba ny halatra lavanila manta.
Anastase