Zazavavy 14 taona no hita faty tsy lavitry ny tanàna, omaly maraina tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any, tany Bealalana. Niboridana tanteraka ny tapany ambany, ary nariana tsy lavitra azy teo ny pataloha “jeans” nanaovany. Antony nahatonga ny maro hihevitra avy hatrany fa niharan’ny filan-dratsin’ireo mpamono ity ankizivavy ity. Tsy vitan’izany anefa fa mbola notaperina tanteraka ny ainy. Nahitana faritra mangana mantsy teo amin’ny tendany, toy ireny nokendaina ireny, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Raha ny fantatra hatrany dia ny omalin’ny nahitana ny nofo mangatsiakany io no nisy nahita farany ity ankizivavy ity, efa andro alina, niaraka tamin’ny namany. Tsy tafody akory tany an-tranony anefa izy ary dia izao hita faty izao. Mpianatra ao amin’ny kilasy fahasivy amina sekoly tsy miankina iray any an-toerana ity ankizivavy ity, ary isan’ireo mahay sy reharehan’izany sekoly izany. Efa nandray an-tanana ny fanadihadiana avy hatrany moa ireo zandary tany an-toerana, ary raha ny vaovao hatrany dia toa hoe efa nisy ny voasambotra. Olona izay nohahiahiana ho nahavita izao heloka feno habibiana izao.
Nangonin’i m.L