Tsy niandry ela tokoa, fa omaly ihany dia voasambotra ireo efa-dahy voarohirohy tamin’ny fanolanana niharo famonoana ho faty an’ilay ankizivavy mpianatra tao Bealanana, ny alarobia lasa teo. Raha ny fampitam-baovao avy tamin’ireo zandary any an-toerana, dia lehilahy roa voatondro sy hitan’ny olona nanadala ity ankizivavy ity no nosamborina avy hatrany, io alarobia io. Omaly kosa no voasambotra ny lehilahy roa, izay voalaza hatrany fa isan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ny fanolanana sy ny famonoana ho faty an’ity mpianatra ity. Tsiahivina fa, ny alin’ny talata teo, raha avy nianatra « cours », ka handeha hamonjy fodiana ilay zazavavy no nifanehitra tamin’ireto andian’olona ireto, izay nanadala azy. Tsy navelan’ireto farany anefa raha tsy nanaiky azy ireo hatramin’ny farany ity ankizivavy mahantra, izay vao 14 taona monja ity. Tsy vitan’ny efa nifandimbiasan’izy rehetra teo anefa, fa mbola nokendaina sy notaperina ny ainy, ary navelan’ireo tsy valahara teo. Ny marainan’ny alarobia no hitan’ny fokonolona ny vatana mangatsiakany. Niboridana tanteraka ny tapany ambany ary nisy ratra ny fivaviany. Nisy faritra mangana ihany koa teo amin’ny tendany. Marihana fa na dia nahatohina ireo fokonolona tany an-toerana tokoa aza ity toe-javatra ity, dia voaaron’ireo mpitandro filaminana tamin’ny fitsaram-bahoaka ireto efa-dahy voarohirohy ireto. Vetivety tokoa mantsy dia niely ny vaovao mahakasika ny fisamborana ireto nahavanon-doza ireto. Nitaky tamin’ireo mpitandro filaminana ny hanolorana azy efa-dahy ho eny am-pelan-tanan’izy ireo ny fokonolona, saingy tsy nanaiky hatramin’ny farany ny zandary. Somary nisy mihitsy aza ny fikorontanana kely tany an-toerana; izay voatery nalamina tamin’ny tifi-danitra, araka ny vaovao voaray. Ho fisorohana ny mety hitohizan’izay savorovoro izay, dia nandray fanapahan-kevitra ireo mpitandro filaminana ny nandefasana azy ireo any Antsohihy
m.L