- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversBefandriana Avaratra : Basy gasy miisa sivy sy bala 80 saron’ny pôlisy

Befandriana Avaratra : Basy gasy miisa sivy sy bala 80 saron’ny pôlisy

Nokasaina hanaovana fanafihana angamba ireto fitaovam-piadiana hita tao Befandriana Avaratra ireto saingy tsy tontosa aloha izany  fa izao tra-tehaka izao. Sakaosy iray feno basy vita gasy sy bala ary ody gasy maromaro tokoa mantsy no saron’ny pôlisy tao amin’ny fokontany Manongarivo, distrika Befandriana Avaratra ny faran’ny herinandro teo. Tsy fantatra hatreto izay mety ho tompony ary efa miroso amin’ny fanadihadiana izany ireo mpitandro filaminana.

Araka ny fampitam-baovao azo tokoa dia olon-tsotra, mpamily fiara mpanao « ramssage » no nahita ity sakaosy mainty ity teo am-povoan-dalana, tao amin’io fokontany io. Nampiahiahy ilay sakaosy ka nentin’ireo nahita azy tany amin’ny biraon’ny pôlisy tao an-toerana. Rehefa nosavaina tany tokoa dia nahitàna fitaovam-piadiana, basy vita gasy miisa sivy be izao, niaraka tamin’ny balam-basim-borona « calibe 12 » miisa 80, moara ary lamba fitafy niaraka tamin’ny karapanondrom-pirenenana lehilahy iray. « Azo heverina, hoy ireo mpanao fanadihadiana, fa ilay tompon’ny karapanondro io no mety ho tompon’ny sakaosy sy ireo fitaovam-piadiana tao anatiny ». Tsy niandry ela moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana fa avy hatrany dia nikaroka ilay olona voalaza anarana tao anaty kara-panondro ary nidina tany amin’ny fokontany voalaza fa misy ny fonenany. Indrisy anefa fa mbola nandamoka izany aloha hatreto satria voalazan’ireo mponina fa efa tsy mipetraka tao amin’io tanana io intsony io olona io fa efa lasa any Mandritsara. Na izany aza anefa dia mbola mitohy ny fikarohana azy, izay inoana fa hitondra fanazavàna mahakasika ireto basy sy bala tra-tehaka ireto.

Tato ho ato tokoa izay isan’ny toerana voafaritra ho mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahelamana ny ao Befandriana Avaratra. Tsiahivina mantsy fa tany an-toerana no nisian’ilay fanafihana misesisesy ary tao anatin’izany ny nahafaty ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary tany an-toerana niaraka tamin’ny olom-boafidy iray.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici