- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversBefandriana-Avaratra : Nidoboka am-ponja ny ben’ny tanàna

Befandriana-Avaratra : Nidoboka am-ponja ny ben’ny tanàna

Omaly no natolotra ny fampanoavana tao Mandritsara, ny ben’ny tanànan’i Befandriana-Avaratra. Ny antony dia mahakasika ny fivarotana lavanila maintso izay nisy nilaza ho nahita izany ka nitarika olona  hanohitra an’izany. Ny asabotsy teo ary, poa toa izay, dia efa feno olona teo anoloan’ny biraon’ilay olom-boafidy. Nanao ny fomba izay hiarovana ny ainy ny mpitandro ny filaminana ary tamin’izay no nisy fanapahan-kevitry ny nanala ilay olona voakasika tao Befandriana-Avaratra faran’izay haingana. Izany dia mba ho fisorohana ny fitsaram-bahoaka  mety hitranga tao an-toerana. Nentina tany amin’ny biraon’ny zandary tany Mandritsara izy ary izany rehetra izany dia tsy nanakana ny fanadihadiana tsy hosokafana. Rehefa nentina teny amin’ny fitsarana izy omaly ka nohadihadian’ny fampanoavana, dia fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika ny tenany. Nohenjanina ny fepetra rehetra izay mahakasika ny ady amin’ny trafika lavanila maitso, tany amin’iny faritra iny ary samy nizaka izany avokoa ny rehetra. Izany dia noho ny  tsy fandriampahalemana sy ny fanararaotan’ny mpanam-bola izay mitady ny haka ho azy samy irery ny vokatra izay tena lafo vidy. Vokatr’izany rehetra izany, dia lasa nisy ny fitsaram-bahoaka rehefa nisy ny voasambotra, lasa sarotiny tanteraka mantsy ny vahoaka. Betsaka koa ny nidoboka am-ponja rehefa nandalo fampanoavana. Nihatra tamin’ny besinimaro ny fanenjanana ny fepetra ary teo no tsy neken’ny olona mihitsy ny hoe olom-boafidy no isan’ny niray petsapetsa tamin’ny raharaha izay mahasarotiny ny olona.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici