- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversBefandriana avaratra : Nitsoaka nankao amin’ny zandary ny lefitry ny sefo distrika

Befandriana avaratra : Nitsoaka nankao amin’ny zandary ny lefitry ny sefo distrika

Voatery nitsoaka ary tao amin’ny biraon’ny zandary ity olom-panjakana ity manoloana ny fandrahonana ho faty nataon’ny olona maromaro; izay tonga tao amin’ny biraony. Ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro, dia nigadona tao ny vatan-dehilahy folo izay notarihin’ny Ben’ny tanàna ao an-toerana. Nandrahona ho faty ireo, ka nitarika ny fitsoahan’ny tompon’ny birao avy hatrany. Tsy nijanona teo fa mbola narahin’ireo no sady nitohy ny fandrahonana ho faty, raha araka ny fanazavan’ny zandary izay nandray fepetra avy hatrany ny amin’ny fiarovana ny ain’ilay lefitry ny sefo distrika. Notazonina tao amin’ny borigadin’ny zandary tao an-toerana izy ireo mandram-pandehan’ilay ben’ny tanàna sy ny olony. Mafana ny raharaha matoa tonga amin’ny sehatra ohatr’izao ireto olom-panjakana sy olom-boafidy ireto. Na ny zandary aza tsy sahy niditra tamin’ny fisamborana, satria mety niteraka olana hafa izany. Raha toa izany kosa ary ny fifandraisan’ny manampahefana ao an-toerana, mety azo inoana ve fa hirindra ny asam-panjakana sy ny fampandrosoana?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici