- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBefandriana Avaratra : Vaviantitra iray jamba, maty tamin’ny doro trano

Befandriana Avaratra : Vaviantitra iray jamba, maty tamin’ny doro trano

Omaly, nanamafy ny teo anivon’ny Syndikan’ny mpitsara eo Madagasikara, tamin’ny alalan’ny filohany fa tena nisy tokoa ilay doro trano maromaro niseho tany Antsakabary, Befandriana Avaratra nataona andiana pôlisy, ny alarobia lasa teo, araka ny tatitra azony avy tamin’ny Tonia mpampanoa lalàna avy ao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany ao Mandritsara. Hafatra izay nalefany taty aminay. Nahatratra teo amin’ny 487 ny isan’ireo trano voadoro araka ny voarakitra tao amin’ity tatitra ity. Tao anatin’izany dia olona iray no namoy ny ainy. Vehivavy efa nahazo taona, manana olana ara-pahitàna. Milaza mazava ny antony niantombohan’ilay tranga tany an-toerana ity hafatra ity. Araka ny fantatra dia nisy fampitàna avy tamin’ny tribonaly nalefa ho an’ny kaomisaria ao Befandriana Avaratra ny amin’ny tokony hisamborana olona, noho ny resaka halatra dokotra. Vita ilay nampanahirana azy ireo no nitranga ny olana, hoy ny vaovao. « Nisavasava olo-jiaby ireto pôlisy ka nisy nangalan’izy ireo 100.000 ariary. Tezitra tamin’izany ity olona ity ka nampiantso fokonolona fa hoe misy dahalo nandrava ny volany». Nentina teo anivon’ny ben’ny tanan’ny raharaha saingy tamin’izany no nandà ireto mpitandro filaminana ireto fa hoe tsy naka ilay vola. « Teo no nanomboka ny teti-dratsin’ireo vahoka ka nanao tetika ijokoana ireto pôlisy ireto an-dalana. Notsenain’izy ireo amin’ny tora-bato sy tsatoka saboha izy ireo ka tsy afaka niaro-tena tampoka tamin’ny fanafihana ». Ary dia niafara hatrany amin’ny famoizan’ireto mpitandro filaminana roalahy ireto ny ainy izany. Ny zava-nitranga taorian’izay no mifamahofaho tanteraka hatreto. Rehefa voalaza fa nandoro trano sy nisambotra olona ireo andiana pôlisy nalefa hanadihadiana sy hisambotra ireo nahavanon-doza, dia nandà tanteraka ny fisian’izany ny tompon’andraikitra voalohany teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Ary nolazaina fa adala no nanao izany. « Raha adala no nanao izany, naninona no tsy nosamborina fa navela handoro trano be dia be ohatra an’io ? Raha adala ve tsy ho trano iray no may dia voasambotra. Hadalana manao ahoana loatra no mampihetsika azy ireo amin’ny fandalovan’ireo pôlisy nefa tsy « centre » akory any ka hoe adala »,  hoy ny voalazan’ilay tatitra.  Toa fomba iray hilazàna fa tena ireo mpitandro filaminana no nanao ity doro trano sy fisamborana olona ity. Nanamafy izany rahateo ny hafatra nalefan’ny zandary ho an’ity tompon’andraikitra izay milaza fa « hatreto dia tanana anaty fokontany roa Ambinanindrano/Tavenina sy Ankisingy/ Ambalamanga no nodoran’izy ireo ary izay olona hitandreo amin’ny tanana manodidina tanana nanafika io dia raofindreo ».

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici