- Publicité SW45 -
jeudi, octobre 24, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBefandriana-avratra : Jiolahy nandroba nirongo basy vita gasy

Befandriana-avratra : Jiolahy nandroba nirongo basy vita gasy

Ny alin’ny 18martsa teo no nampandre ny tomponandraikitra tao an-tanàna ny lehilahy iray, fa misy manafika ny tokan-trano iray ao akaikiny.Vetivety dia tonga teny an-toerana nanao ny famonjena ny zandary tany an-toerana ka niaraka tamin’ny fokonolona mba hanao ny fisamborana ireto jiolahy.

Tsy nahavita na inona na inona ireto mpanafika teo anatrehan’izany ka nitifittra ilay lehilahy tao an-trano izay manodidina ny dimy amby telopolo taona, nitsirara avy hatrany ity lehilahy tao an-trano ary tsy nahabata na fanjaitra iray  ireto olon-dratsy raha vao nahita ny fiavin’ny zandary.

Raha ny endriky ny fitifirana dia karazana ankasomparana ihany noho ny fahatezerana ny tsy nahazoana na inona na inona nandritra ny fanafihana.

Rifatra nitsoaka ry zalahy fa ny fokonolona kosa tetsy andanin’izany nitondra ilay naratra nankany amin’ny CSBII akaiky teo an-tanàna, tsy dia nisy natahorana ny ain’ity voatifitra fa ireo jiolahy kosa tsy hita nanjavonana t aorian’ny fanenjehana izay natao azy.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser