Nandrasana teo amin’ny fivoahana teo amin’ilay tanàna ireo pôlisy roa avy nanao fisamborana olona iray, araka ny didy navoakan’ny fitsarana. Tao Ambalamanga, fokontany iray miala 15 kilaometatra an’i Befandriana avaratra no nisehoan’izany famonoana mpitandro filaminana izany ny harivan’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Raikitra ny tora-bato nataon’ireo olona marobe. Niezaka ny niaro ny tenany ihany izy roa lahy, saingy be loatra ireo olona nifanehitra taminy. Rehefa naratra vokatry ny toraka dia mbola narahina tsatoka antsy ihany ary tsy namelany raha tsy namoy ny ainy. Ilay olona nosamborina kosa dia tafaporitsaka tao anatin’izay savorovoro izay. Rehefa maty ireo roa lahy, dia nalaina ny basy poleta iray teny aminy. Ny basy lava kalachnikov kosa dia navelan’ireo olona teo, saingy ny balany rehetra no nalaina. Raha ny tatitra azo avy tany an-toerana, dia nisy feo niely fa naka vola ireo mpitandro ny filaminana nandritra ny fisamborana. Tsy mbola fantatra izay fahamarinan’izay fa vetivety kosa dia niely tao an-toerana izany resaka izany ary nitarika tamin’ity fitsaram-bahoaka ity. Nidina an-tsehatra ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Antsakabary. Hatramin’ny omaly aloha, dia ilay olona izay niharan’ny didy fampisamborana no voasambotra. Mbola mitohy ny fanadihadiana any an-toerana ary pôlisy marobe ihany koa no nidina tao Antsakabary omaly. Tsy voafehy intsony ny fitsaram-bahoaka raha oharina amin’ny fisesiny tao anatin’ny herintaona izay. Ity izao no faha-44 tamin’izany tranga izany, hatramin’ny taona 2016. Fanin-telony amin’ny mpitandro filaminana novonoin’ny andian’olona ihany koa ireo pôlisy ireo hatramin’ny novambra 2016. Tsy misy dikany amin’ny olona sasany intsony ny atao hoe aina, raha jerena mahitsy. Miverina hatrany ny hoe tsy fahatokisan’ny olona intsony ny rafi-pitsarana (mpitandro ny filaminana, mpitsara, mpanatontosa lalàna) rehefa mitranga ny toy izao. Inona moa ny olana raha mibaboka kely indray ary mampiseho fahavononana ny hiady amin’ny kolikoly izay fototry ny tsy fahatokisana hatrany?
D.R